Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana ben’ny tanàna : Mety hihemotra amin’ny taona 2025

La gazette de la grande île
07/08/202434 second read

Tsy mbola misy daty azo antoka hanaovana ny fifidianana izay ho be ny tanàna amin’izao fotoana izao.
Raha ny tetiandro navoakan’ny CENI dia ny 6 Novambra 2024 no fotoana hanatanterahana ny fifidianana ity. Ny olana eo aminy fitondram-panjakana anefa dia ny fananganana ny governemanta aloha hatramin’izao. Tsy misy mangirana fa ilaozana miady an-trano. Ny filoha Andry Rajoelina moa variana manao fitsidihana any ivelany. Tsy miraharaha izay fampandehanan-draharaha eto aminy firenena akory.
Marihina fa ny volana jona 2024 no efa tokony ho soloina ny ben’ny tanana ity. Tsy manam-bola hono ny fanjakana ka mety hahemotra any amin’ny taona 2025 indray ity fifidianana ity raha ny resaka mandeha hatramin’izao.
Mikorontana ny raharaham-pirenena ka mampanahy ny hisian’ny fitoniana sy ny fandrosoana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top