Toy izao no zava misy:
Eo imason’ny rehetra sy zavatra hita sy miharihary dia efa ny Firenena Mikambana (Nations unies) sy ny Banky iraisam-pirenen ary ny tahirim-bola iraisam-pirenena izay rafitra ao anatin’izany Firenena Mikambana izany no manantanteraka sy miasa amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’ny Malagasy.
Raha tsy teo ohatra ny fiarovana ara-tsosialy tohin’ ny Programa vary tsinjo, programa Tsimbina sns, fandaharan’asa nofaritan’ny Firenena Mikambana sy no vatsiny aram-bola ary tanterahin’ireo masoivohon’ny Firenena Mikambana toy ny FAO, UNICEF, FAO PAM, sns, dia efa maro no mosarena na maty mihitsy aza.
Ireo mptitondra politika dia mpanaran-drenirano fotsiny tsy misy hafitsoka, miandry voninahitra fotsiny , variana mijery ny tombotsoany fotsiny ary mandanidany foana ny volam-bahoaka fotsiny.
Indrisy Kamboty rayamandreny hendry ny malagasy.