Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

CIRGN : Môla môla tia ho « influenceur »

La gazette de la grande île
30/08/202456 second read

Niova tanteraka ny asan’ny CIRGN na ny borigadin’ny zandarimaria, indrindra fa ny ao Analamanga ao. Variana manao « influenceur » na irony mpisehatra mampiala voly eny anivon’ny tambajotran-tserasera irony. Manao hatsikana, miseho maharaka ny zava-misy anefa mibilioka tanteraka amin’ny andraikiny amin’ny maha mpitandro ny filaminana azy.

Tsy misy hitan’ny CIRGN sy ny hamôlany itony

Vokany : miroborobo izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana. Miseo eny amin’ny tambajotran-tserasera eny avokoa ny karazana fandikàn-dalàna saingy tsy hitan’ny CIRGN izany, fa variana mitady hatsikana entina mampiala voly ireto farany.
Anisan’izany tsy fanarahan-dalàna mahazo vahana izany ny fivarotana sy fanaovana taratasina fiara osoka. Tsy tahotra tsy henatra ireo mpanao osoka sy mpangalatra mibaribary eny amin’ny tambajotran-tserasera eny. Mitaraina ihany koa ny vahoaka, indrindra ireo iharan’ny asan-dahalo andro aman’alina.

Tsy misy hitan’ny CIRGN sy ny hamôlany itony

Tsy misy hitan’ny CIRGN izany fa ilaozany môla môla mihevitra azy ho mpahay sera sera anefa mpanara-damôdy fotsiny ihany fa ilaozan’ny dahalo miahaka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top