Mandalo fotoana sarotra ny Malagasy noho ny zava-misy izay tsy nampoizina. Raha miandry foana ny fanjakana ianao, dia mety ho diso fanantenana.
Amin’ny tontolo iainana amin’izao fotoana izao, raha mijaly ianao noho ny zavatra misy, raha mahantra na malemy ianao, tsy hiaro anao izao tontolo izao, na hiaro anao na hitomany aza ianao … ny hiaro anao dia ny herinao, ny herim-ponao, ny fiezahanao hianatra foana, ary ny fahazotoanao hiasa tsara na mamorona asa tsara ho anao raha tsy manana ianao. Izay ihany no hahafahanao miaina ao anaty fahasambarana, ao anatin’ny tontolo izay miova isan’andro.
Miova foana ny zava-drehetra, mivoatra foana ny fiainan’ny zanak’olombelona. Ny tsy fahaizana miaina amin’izany fivoarana izany, na fandavana izany izay toy ny ampahany ilaina amin’ny fiainana, dia mety hiteraka olana, fijaliana, ary fahadisoam-panantenana, ka hiaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana foana ianao.
Noho izany, raha tianao ny hiaina ao anatin’ny fahasambarana dia mihevera foana ny hanao ireto manaraka ireto :
1. Hanana saina misokatra ara-tsaina,
2. Manangona vaovao tsara sy mikarokaroka zavatra foana…
3. Hanaiky fa misy foana ny fiovana amin’ny zanaky ny olombelona
4. Hahay mandanjalanja foana,
5. Hanana fanantenana eo amin’ny fiainana,
6. Hiasa mba hamokatra zavatra mety ilainao na ilain’ny mpiara-belona aminao.
Izay ihany. Tsy misy tsy mafy tsy laitran’ny zoto eh! ». Raha manana fotom-pisainana toy ireo voalaza ireo ny Malagasy ary manana Ray-amandreny aram-panjakana mahay , hendry, manam-panahy sy mitsinjo ny Malagasy rehetra dia ho tanteraka ilay voalaza ao amin’ny Hiram-Pirenena hoe:
“Tahionao ry Zanahary
Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay”