Politikan’ny Malagasy : Tena fikaramana tsotra izao no sisa
Manomboka indray ny propagandy izay hifidianana indray ny ho ben’ny tanàna manerana ny Nosy nanomboka ny talata faha 19 Novambra 2024 lasa teo. Tsy hifarana izany raha tsy ny faha 10 desambra 2024. Tsy taitra sy tsy rototra intsony ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Mazava dia mazava fa mpikarama sisa no misy eto Madagasikara fa tsy fanaovana politika. Kandidà sy olom-boafidy mpikarama daholo no mitazona toerana milaza azy ho mpanao politika. Mahatsapa izany ny malagasy na dia tsy miteny aza ka tsy niraharaha intsony izay raharaham-pirenena. Tsy misy intsony ny fitiavan-tanindrazana eto hoy ny resaka heno etsy sy eroa. Fitaka be vava sy fangalarana sy fanamparam-pahefana sisa no ataon’ireo mpanao politika ankehitriny ireo. Manararaotra ny fahantrana izay mihoampampana mahazo ny 95 % ny vahoaka.
Tsy maintsy mifidy sy mametraka olona ho ben’ny tanàna ny malagasy dia atao ny fifidianana fa raha izay fientanam-po dia tsy misy intsony. Ny zava-misy dia leo tanteraka ny vahoaka. Tsy miraharaha intsony izay vokatra ho azo eo satria mazava hoazy fa mpikarama amin’ny fanaovana politika no misy eto Madagasikara ankehitriny fa tsy fijerena ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka ary koa ny fitiavan-tanindrazana intsony.
Manaraka izany dia inona moa no azo antenaina amin’ny fitondrana izay sahirana mafy ara-bola ankehitriny. Mikatso avy ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Olana tsy misy toa izany ny zavatra rehetra. Potika ny fiainan’ny vahoaka nohon’ny fahapotehana isan-karazany toa ny Jirama, ny lalana manerana ny Nosy, midangana izay tsy izy ny vidim-piainana nefa ny fahefa-mividy latsaka ambany dia ambany. Tsy azo antenaina fa hitondra vahaolana hoan’ny vahoaka izay ben’ny tanàna ho lany eo fa hokaramaina handray vola isam-bolana fotsiny ihany.
Tsy matoky ny mpanao politika intsony ny vahoaka malagasy na ny mpomban’ny fanjakana na ny mpanohitra. Dia mitovy amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote teo aloha ihany ny zavatra hitranga. Mpikarama sisa no misy eto fa tsy fanaovana politika.
Haintany : Sahirana mafy ny mpamboly
Tsy misy orana manerana ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Efa fotoanan ‘ny fahatongavan’ny’ ny orana izao. Hafanana izay tsy izy no misy ankehitriny. Tsy afaka mamboly ireo tantsaha. Ireo izay efa nahazo ranonorana kely ny volana oktobra lasa iny dia lasa tany maina sy vakivaky indray no nitranga ka potika ny voly. Isan’ny voa mafy koa ny » letchis » izay voankazo fanondrana amin’izao volana izao noho ny tsy fisian’ny orana. Maina sy vakivaky ny tanimbary rehetra aty ampovoantany na ireo izay efa nambolena vary. Tsy vitan’izany fa ritra koa ny ankamaroan’ny renirano sy ny loharano.
Mahatsiaro tena fa tsy manana mpitondra intsony ny vahoaka malagasy. Tsy andrenesam-peo ny fanjakana fa toa mijery ny zava-misy miandry izay hataon’Andriamanitra fotsiny sisa .
Maro ny malagasy no mangataka ny hisian’ny rivodoza sahady nefa dia zava-doza koa izay raha tonga eo. Tsy ny fotoana toa izao ve no anaovana fandatsahan’orana izay fanao teto Madagasikara hatramin’izay?