Politika
Tsy mihaino izay lazain’i Rajoelina intsony ny ankamaroan’ny Malagasy
Zava-doza ity mitranga eto amin’ny firenena ity. Manao fanambarana na milaza ny asa fandrosoana na ny vita na ireo izay mbola hataony i Rajoelina dia hita fa tsy taitra intsony ny ankamaroan’ny vahoaka.
Nizara vary safiotra tany Antanambe tany Ambatondrazaka izy ny alatsinainy faha 03 Febroary 2025. Vory ny vahoaka hahazo fanampiana. Mbola niampy zezika koa izany. Ny vahoaka taty ivelany koa dia nitazana fotsiny tsy niraharaha izay fanomezana nozarainy. Rehefa nanao kabary koa izy dia tsy raharahan’ny olona. Misy mihitsy aza no tezitra ny olona raha vao mahita azy amin’ny fahitalavitra ireny ary avy hatrany dia manova fandaharana.
Raha mitodika any afara isika dia miverina indray ny tantara teo aloha. Rehefa nitondra ela i Didier Ratsiraka dia tsy nihaino azy intsony ny vahoaka na dia zavatra tsara aza no lazainy. Toa izany koa tamin’ny taona 2008 izay zavatra ataon’i Ravalomanana na tsara na ratsy dia mijery fotsiny ny vahoaka.
Tsy mihaino fanjakana intsony ny vahoaka ka tokony handinika ny fitondrana.
Fitondrana
Tsy mitsitsy amin’izay miseho azy hanohitra
Tsy avelan’ny fitondrana Andry Rajoelina hihetsika mihitsy izay miseho azy hanohintohina azy amin’izao fitondrana izao. Rehefa mivorivory na maneho hevitra ka mitsikera ny fitondrana dia tsy maintsy tratran’ny antsojay avokoa. Izay tsy migadra dia tratran’ny fampihorohoroana.
Tamin’ny sabotsy 01 Febroary 2025 teo, tao amin’ny Solimotel Anosy dia tsy navelany zandary hivory tao ny fikambanana maromaro nahitana ny antokon’i Ralison Roger, dokotera Andriamaholison Jules, ary ny sendikan’ny Randrana sendikaly izay notarihiny Rabarison.
Hanao dinikasa sy fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena no voalaza fa hataon’izy ireo amin’izany raha ny voalazan’ireo olona handray anjara tamin’ity fivoriana ity. Tamin’ny maraina be anefa dia feno zandary ny manodidina ity toerana ity. Nosakanan’izy ireo ny fidirana amin’ity Solimotel ity. Tsy navela hiditra mihitsy izy ireo ka dia nody maina avokoa.
Eto Madagasikara ankehitriny dia sarotra ny fanehoan-kevitra. Azo lazaina fa nihemotra ny demokrasia. Tsy afaka maneho hevitra intsony ny olona. Very ny zo fototra. Niarahana nahita ireny fisamborana an’i Fernand Cello ireny. Maro ny olona voaantso atao fanadihadiana nohon’ny fanehoan-kevitra atao fa indrindra amin’ny Facebook.
Miaina ao anaty fahatahorana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy.