Tonga tany Mahajanga ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny 8 martsa 2025 teo. Nambarany tamin’izany fa hamboarina ny lalam-pirenena faha efatra mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Dia faly ny vahoaka.
Tany Toamasina koa izy volana fotsy lasa izay dia nilaza fa hamboarina koa ny Lalàm-pirenena faha roa. Dia faly koa ny vahoaka sady nihoby azy.
Tany Ampanihy Toliara indray izy nijery ny traboina tany vokatry ny rivodoza Honde andro vitsivitsy lasa izay dia nilaza koa fa hamboarina ny Lalàm-pirenena faha folo. Dia faly koa ny vahoaka ka niteny hoe: « merci President ».
Volana vitsy izay dia nilaza izy fa efa amboarina ny Lalàm-pirenena faha 7. Dia tsy nihoraka na faly ny vahoaka fa nandinika fotsiny.
Tany Ambatofinandrahana koa izy dia nilaza fa hamboarina ny Lalàm-pirenena faha 35 tamin’ny propagandy
Lazaina sy ankalazana ny fanamboarana ny lalana masoandro hampitohy an’i Taolagnaro sy Antsiranana.
Tsara avokoa izany rehetra izany hoy ny mpanaraka ny vaovao sy ny raharaham-pirenena fa tokony ho vitainy aloha ny lalam-pirenena faha 13 izay nilokalokany efa ho dimy taona lasa izay nefa mbola tsy vita sy tsy misy toko ranony ny fahavitany hatramin’izao. Dimy taona lasa ange izay e.
Dia azo inoana ve ny fahavitan ireo lalàna rehetra lazainy ireo ao anatin’ny efa-taona sisa hitondrany eo? Ny teo aloha aza tsy vita nefa ny aty afara asisika ihany. Izany no fanaovana politika eto Madagasikara.
Andry Rajoelina: Izay toerana andehanany dia lazainy fa hamboarina hono ny lalana.
La gazette de la grande île
11/03/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385574
Your IP Address: 3.12.107.192
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »