Olona 17 no voarohirohy amin’ny nahafaty ny ben’ny tanàna Rasazy Narindra tany Mangataboahangy. ‘
Nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ny 15 lahy ary ny roa vavy kosa eny amin’ny fonjan’ Antanimora ny zoma faha 7 martsa 2025 lasa teo.
Isan’ireo voarohirohy koa ilay anadahin’i Rasazy niaraka fiara taminy.
Samy gaga daholo ny olona rehetra noho izany nefa angamba tsy diso ny fitsarana raha toa ka nanao izany.
Marobe ny resaka mandeha amin’ity raharaha ity manerana an’i Madagasikara fa indrindra any Ambatofinandrahana. Ny resaka politika izay mafana be any Ambatofinandrahana no isan’ny andehanany sain’ny olona maro ary ny raharaha fitrandrahana vato any Mangataboahangy izay be dia be tokoa sy mahasintona olona maro sy ny sinoa indrindra indrindra.
Samy miandry ny vaovao mazava amin’ity raharaha ity ny vahoaka malagasy.
Raharaha nahafaty an’i Rasazy Narindra tao Mangataboahangy
La gazette de la grande île
11/03/2025•37 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385567
Your IP Address: 3.138.178.145
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »