Androany talata faha 11 martsa 2025, izay fotoana nanaovanay fanadihadiana ny sakafo ilaina isan’andro dia toa izao no vidin’izany :
Ny vary gasy dia manodidina ny 1150 ka hatramin’ny 1200 ariary ny kapoaka. Izany hoe 3800 ariary ka hatramin’ny 4200 ariary ny iray kilao.
Ny tsaramaso dia 1800 ariary ny kapoaka ka misy mivarotra 2200 ariary izany. 4400 ka 6200 ariary ka hatramin’ny 7 700 ariary ny iray kilao.
Tamin’ny vola Janoary a afa dia mbola 1000 ariary ny kapoaka n’ny vary na 3500 ariary ny iray kilao. Nisy fisondrotan’ny 500 ariary tao anatin’ny iray volana. Ny tsaramaso indray dia mbola 1400ariary ny iray kapoaka n’a 4200 ariary ny iray kilao ny volana janoary lasa teo izay niakatra 3500 ariary izany. Eo amin’ny 80% nu fiakaran’i zany.
Efa miakatra anefa ny vary aloha eto Antananarivo sy manerana ny faritra maro.
Tsy hita ilay vary 750 ariary ny kapoaka izay lazain’ny fanjakana. Na 2600 ariary ny kilao.
Raha izao fiakaran’ny vidim-piainana izao no jerena dia azo inoana fa ho tafakatra hatrany amin’ny 2000 ariary ny vary iray ‘il ao amon’ ny taona 2026 hoavy io.
Mahakasika ny hena omby indray dia 20 000 ariary ny iray kilao izay mora indrindra raha toa ka 16000 ariary izany ny volana desambra 2024 lasa teo.
Manahy mafy noho izany ny malagasy maro. Hatramin’izao aloha dia tsy mahomby ny tetikin’ny fitondram-panjakana.
Izany no antony mahatonga ny Randrana sendikaly mitaky ny fisondrotan-karama amin’izao fotoana izao io satria potika ny fiainan’ireo mpiasa rehetra. Tsy nisy fisondrotana tao anatin’ny enina taona izay raha tsy indray mandeha monja.
Vidim-bary Antananarivo: 4000 ariary ny iray kilao
La gazette de la grande île
12/03/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385580
Your IP Address: 3.129.209.186
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »