Mandeha dia mandeha ny resaka ao an-dapa ankehitriny fa hisy fanovana governemanta indray atsy ho atsy. Teo aloha teo, dia nisy ny resaka mandeha fa misy minisitra tsy manao ny asany mihitsy fa tsy maharaka ny filàna. Isany voateny amin’izany ireo ministeran’ny miandraikitra ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovam-pirenena telo lahy. Izany dia nohon’ny firongatry ny asan-jiolahy izay mahazo vahana tato anatin’ny telo volana izay. Fahafatesan’i Rasazy Narindra, ny tsy fandriampahalemana izay mirongatra be any Toamasina sy Antananarivo… Tsy tenenina intsony ny mahakasika ny fangalana takalon’aina na ny » kidnappé » manodidina Ankazobe sy Alaotra Mangoro sy Tsaratanana iny ary Betsiboka.
Misy koa ny ministeran’ny varotra izay tsy maha voafehy ny fiakaran’ny vidim-piainana fa toa mitazam-potsiny eo anatrehan’ny fidangan’ny vidin’entana rehetra.
Raha ny vaovao mandeha aza dia isany niteraka olana ihany koa ilay sakafo namparary ireo solotenan’ny fiadidiana ny Repoblika tany amin’ny 8 martsa 2025 teo tany Mahajanga. Ary farany teo dia ny raharaha momba ny cocaïne 250 kg tany Nosibe.
Mandeha dia mandeha koa ny resaka fa mety hatrany amin’ ny Praiminisitra Ntsay Christian mihitsy no hiala. Raha izay tokoa no misy dia fanovana governemanta tanteraka no mety hisy.
Na izany na tsy izany anefa dia sahirana ny vahoaka malagasy. Tena sahirana ka moa ve ny fanovana ny governemanta no mety hahatsaratsara ny fiainam-bahoaka izao?
Governemanta: Mamofopofona fanovana
La gazette de la grande île
18/03/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385534
Your IP Address: 154.120.161.142
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »