Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hopitaly Anjanamasina: Tanora lahy sy vavy maro no lasa adala noho ny cocaïne sy ny rôrô

La gazette de la grande île
18/03/20252 minute read

Rongony cocaïne sy rôrô no tena fototry ny fidirana hopitaly eny Anjanamasina eny Ambohidratrimo amin’izao fotoana izao hoy ny mpitsabo iray izay isan’ny mpikarakara ao amin’ity hopitaly natokana hoan’ny marary saina sy adala ity. Voalazany fa maro ny tanora malagasy na lahy na vavy no mitsindrona sy misintona ny rongony avy any ivelany antsoina hoe « cocaïne sy rôrô » ity izay tsaboina ety amin’ny hopitaly ity. Ny zanak’ireo olona manan-katao sy manankarena ny 90%amin’izy ireo hoy hatrany ilay mpitsabo.
Taloha hoy hatrany izy dia rongony malagasy na ireo antsoina hoe « chanvre » no nidirana hopitaly tety fa ankehitriny dia efa nivoatra izany ka lasa ireo rongony « cocaïne sy rôrô » ireo no tena be dia be. Mahery be ity rongony ity ka sarotra ny fitsaboana noho izany noho ny teo aloha.
Niaraha nahita sy voalaza ombieny ombieny tamin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany fa miparitaka izay tsy izy ireo rongony ireo eto Madagasikara. Tena mahalasa adala hoy hatrany ny fanazavana. Azo antoka fa isan’ny mahatonga ny vonoan’olona isan-kazarany mitranga ankehitriny ity raharaha ity. Rongony avy any ivelany ireo ary zava-doza ny fidirany eto Madagasikara izao. Fanapotehina ny taranaka sy ny firenena ny zavatra misy ankehitriny.
Efa nisy iray taonina mahery tonga tany Toamasina taona lasa vitsy izay. Dia izao tratra tany Nosibe izao indray ny 250kg ny volana janoary 2025 ity. Tsy tenenina intsony ireo tratra madinidinika 3kg ka hatramin’ny 1kg. Volabe izay tsy izy ny vidin’izany.
Raha ny loharanom-baovao azo dia avy any Colombie any amerika ka mandalo atsy Afrika Atsimo ary tonga eto Madagasikara sy alefa any Maurice ireto rongony vahiny ireto raha ny fanadihadiana hatrany sy ny loharanom-baovao amin’izany. Midika izany fa efa tonga eto Madagasikara koa ireo « Mafia » na ny tambazotra ny fivarotana rongony ity. Matetika dia mpanakarena sy olona ao anatin’ny fitondram-panjakana no ahitana ireo « Mafia » ireo manerantany. Matoa tafiditra eto Madagasikara ity rongony « cocaïne sy rôrô » ity dia misy olona tompon’andraikitra ny faditseranana amin’izao no mampiditra azy io toa ny raharaha volamena ihany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top