Feno mpatory an-dalana ny toerana maro eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Hatrany Analakely sy ny manodidina iny dia misy olona matory avokoa amin’ny alina. Raha vao misy toerana malalaka dia ahitana azy ireo. Raha vao tonga anefa ny maraina dia tsy misy hita izy ireo.
Marobe koa ny olona mivezivezy mpitsindroka fako manerana an’ Antananarivo ity. Hatramin’ny fianakaviana iray manontolo mihitsy no manao izany. Tsy tenenina intsony ny fianakaviana mpitsindroka zaoridira amin’ny atoandro. Lehilahy, vehivavy ka hatramin’ny zaza mbola menavava sy antitra efa manjoko dia hita eny amin’ny toerana fanariam-pako avokoa. Tsy mahamenatra intsony. Ny mahagaga dia toa efa fiainana sy asa fivelomana mihitsy izany ankehitriny. Tsy taitra intsony ny olona mahita azy ireo, ny fanjakana koa dia mitazam-potsiny.
Niova tanteraka nandeha any amin’ny faharatsiana sy ny fahantrana ny fiainan’ny malagasy ankehitriny. Nofinofy ilay Madagasikara Nosy Sambatra izay nirehareha fahiny.
Ota fady sy very hasina tanteraka firenena.
Mpatory amoron-dalana: Mitombo izay tsy izy
La gazette de la grande île
18/03/2025•44 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385522
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »