Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Rivodoza Jude : Ilain’ny faritra atsimo na dia mampitondra faisana aza

La gazette de la grande île
18/03/20252 minute read

Androany zoma faha 14 martsa 2025 tamin’ny 4ora tolakandro no tonga ao Toliara ny rivodoza Jude. Mitondra rivotra mafy be izy ity izay mahatratra hatrany amin’ny 50km/ora izany. Misy koa orana miaraka aminy izay mbola tsy dia be loatra toa ny rivodoza Honde tamin’ny volana febroary 2025 lasa teo hatramin ‘ny fotoana anoratanay izao. Ho hitantsika eo ihany ny fivoaran’ieany.
Miandry izay ho voka-dratsiny izahay hoy ny olona any an-toerana. Mbola tsy afaka ny dobo rano amin’ny toerana maro eto amin’ny tanànan’i Toliara dia izao misoka izao indray i Jude. Tsy maintsy ho maro noho izany ny fahavoazana.


Na izany aza no mitranga amin’ny tanana maro any atsimo dia velom-bolo indray ireo mpamboly satria dia manampy be dia be azy ireo ny fahatongavan’ny rivo-doza toa izao. Azo antoka fa ho tsara ny fambolena noho izany. Ny mpampiasa lalana sy ny olona an-tananandehibe no sahirana amin’izao rivodoza izao.
Isan’ny mahazo tombony amin’ny fahatongavan’ny rivo-doza ny faritra Androy izay tsy mahazo orana raha tsy tonga ny rivo-doza toa izao.
Anjaran’ny fanjakana ny mandrindra ny vokatsoa sy voka-dratsy amin’izany ka ho hitantsika eo ny hiatrehan’ny izany.
Hamakivaky distrika sy faritra maro any atsimo sy atsimo andrefana ity rivo-doza ity androany zona sy rahampitso sabotsy faha 15 martsa 2025 ka ho hitantsika eo ihany ny vokatr’izay .

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top