Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Trafika rongony sy volamena: Tena ireo polisy sy zandary ireo ve no  » mafia » eto Madagasikara ?

La gazette de la grande île
18/03/202549 second read

Mandeha dia mandeha ny resaka mahakasika ny fanondranana volamena antsokosoko eto Madagasikara tao anatin’ny folo taona teo ho eo izao. Nanomboka tamin’ny fitondran ‘i Rajaonarimampianina Hery ka hatramin’ny fitondrana Andry Rajoelina izao.
Efa marobe ny vaovao mahakasika azy ity izay efa navoaka tamin’ ny fampahalalam-baovao teto Madagasikara sy tany ivelany. Tsy mbola nisy tratra anefa ireo olona tena mpanao izany fa dia ireo polisy sy zandary izay mba saika hanararaotra izany no lasa migadra sy atao hoe mafia mpanao ity afera ratsy mandroba firenena iry. Dia mbola tratra indray izao ny kaomisera ny polisy ao Mampikony ary nampidirina eny Tsiafahy.
Mitovy tsy misy valaka amin’izany koa ny raharaha « cocaïne » izay tratra tany Nosibe faranu teo ka ny komandà ny kaompania ny zandarimaria tany an-toerana izay nahatratra ity raharaha ity sy ny zandary namany no nidoboka any Tsiafahy koa.
Matetika ny atidoha sy ny lehiben’ny « mafia  » tsy mba azo mora foana toa ireny manerantany. Dia ireo aloha no tratra ka dia izy ireo no miantoka aloha.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top