Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andro ny Frankôfônia: Efa tamin’ny taona 1642 no nanao izay hahazantany an’i Madagasikara ny frantsay

La gazette de la grande île
19/03/20252 minute read

383 taona izao no nandefa voanjo hanjanaka an’i Madagasikara ny fanjakana frantsay izay notarihiny mpanjaka Louis- XIV. Pronis no nalefany taty Madagasikara tamin’ny taona 1642 io ka tao Taolagnaro no nisy ny Rovan sy ny fonenany . Nandimby azy i Étienne de Flacourt ny taona 1648. Ity frantsay ity no nanoratra ny tantaran’i Madagascar voalohany amin’ny teny frantsay. Nitety an’i Madagasikara avy any Taolagnaro ka hatrany Antsiranana izy tao anatin’ny 8 taona. Nanana miaramila vazaha natanjaka izy. Nanomboka teo dia nieritreritra ny hanjanaka an’i Madagasikara ny frantsay ka nametraka ny kolontsainy teo. Ny taona 1659-1663 dia tonga teto Madagasikara koa ny miaramila frantsay antsoina hoe Lacaze izay nanafika ny fanjakana tao Matitanana izay misy ny lapan’Ivato-Fenovola izay fanjakana natanjaka indrindra teto Madagasikara sy fanjakana voalohany teto ny taona 1336. Norobaina tamin’izany ny Sorabe sy ny volamena ary ny omby izay fananan’izy ireo. Hatrany Taolagnaro ka hatrany Vangaindrano ary tonga hatrany Ikongo ny fanafihana nataony Lacaze tamin’izany. Izy no nanaparitaka ny boky Sorabe izay lasa any Eropa manontolo amin’izao fotoana izao. Mahatratra 100 mahery ny boky Fandraka na Sorabe voaroba tamin’izany.
Niforona ny fanjanahantany nanomboka teo ka lasa zanatany frantsay isika malagasy ny taona 1896-1960 Dia mazava hoazy fa tsy maintsy ny kolotsaina frantsay no novolena teto Madagasikara nanomboka teo. Niforona ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay taty aoriana dia mazava hoazy fa isan’ny mpikambana amin’izany i Madagasikara. Nankalazana androany 18 martsa 2025 teto Madagasikara ny andro iraisam-pirenena momban’ny Frankôfônia. Mpikambana feno ao isika. Ny ministeran’ny kolontsaina izay notarihin’ny minisitra Mara Donna Volamiranty sy masoivohon’ny Frankôfôna eto Madagasikara miaraka amin’ny malagasy sy ny mpikambana iraisampirenena maro no nanamarika izany tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy androany.
« Ny tantara tsy mba fanadino fa entina hisainana sy hitondrana ny hoavy » .

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top