Tsy tako-nafenina intsony fa mivady ho biby ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny. Mifanampoizina sy mifamosavy ny samy malagasy nohon’ny politika, ny fitiavana fahefana, ny fitiavana voninahitra ary indrindra indrindra noho ny fitiam- bola diso tafahoatra loatra.
Tany Mahajanga ny andron’ny 8 martsa 2025 teo dia iny niarahana nahita iny fa narary kibo avokoa ny olona niaraka nisakafo tamin’ny filohan’ny repoblika Andry Nirina Rajoelina. Vokatrin’ny sakafo izay tsy mazava izany ka namparary ny olona rehetra nisakafo tao amin’ilay trano fisakafoanana. Tsy nisy ny maty fa nalaky voavonjy.
Tany Ikalamavony ao Matsiatra Ambony koa dia nisy olona mivady maty indray mandeha niaraka tamin’ny mpanampy azy ny faran’ny herinandro teo vokatrin’ny fihinanana sakafo tamin’ny fanasana sy fety iray. Voalaza fa fanapoizinana no nahazo azy ireo. Mpandraharaha malaza be any an-toerana izy mivady ireo.
Santionany amin’ny hita maso ireo fa mandeha dia mandeha koa ny resaka fa misy izany poizina mamono miadana izany koa ankehitriny toa ny nahafaty mpanao politika malaza teto amin’ny firenena ity volana vitsy lasa izay. Misy koa aza no milaza fa ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha dia isany namparary azy koa ity poizina mamono miadana ity saingy nalaky voavonjy koa izy. Misy miteny aza fa ny zanakin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha dia maty noho ny poizina nohanina io koa.
Marobe ny resaka mandeha ankehitriny mahakasika ny fanapoizinana ity amin’izao fotoana izao. Any amin’ny lanonana sy ny fanasana ary ny fisakafoanana no tena ahitana ity raharaha ity raha ny resaka mandeha ankehitriny.
Tsy dia noraharahan’ny olona loatra ity resaka fanapoizinana ity teo aloha teo fa hatramin’ny tranga nisy tamin’ny mpiara-dia tamin’ny filohampirenena tany Mahajanga ny 8 martsa 2025 teo iny dia lasa resaka eo anivon’ny fiaraha monina izy ity amin’izao fotoana izao.
Matetika dia mitranga avokoa ny zavatra ratsy toa izao rehefa mahantra ny firenena iray. Diniho anie ny zavatra mitranga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao e.
Zava-doza: Fifanampoizina ny samy malagasy
La gazette de la grande île
19/03/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
385524
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »