Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaksiny: Tsy voavidin’ny fitondram-panjakana

La gazette de la grande île
02/05/202545 second read

Tonga teny amin’ny antenimieram-pirenena ny fikambanana iray ao amin’ny UNICEF antsoina hoe GAVI androany alarobia faha 30 May 2025.
Mahakasika ny vaksiny hoan’ny zaza eto Madagasikara no diany tamin’izany. Hanambara amin’ny depiote ny tokony hidirana ny vola 11%a anjaran’ny fanjakana amin’ny vidin’ny vaksiny izay mbola ain’ny zaza malagasy no anton’izany . Ny fikambanana GAVI ity no isan’ny mpamatsy vola ka mandoa ny 89% ny vidin’izany vaksiny izany. Matetika anefa dia tsy maha voaloa io vola io ny fanjakana na tara be izany. Nanao izao ity fikambanana ity alohan’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimierampirenena izay hanomboka afaka herinandro. Ny zaza no harena ary ny zaza no hoavin’ny firenena ka izany no antony izao fampahatsiarovana ny depiote izao izany mba hampidirana azy ao anatin’ny teti-bolampanjaka 2025 ity.
Nandray ireto vahiny ireto moa ny filohan’ny vaomieran’ny fahasalamana ao amin’ny antenimieram-pirenena ny dokotera Rajaobelina Lova avy any Moramanga. Tsy handroso Madagasikara raha toa ka vaksiny aza tsy vitany intsony ny mandoa azy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top