Nanomboka ny asabotsy faha 3 May 2025 izay nivoahan’ilay ankamoaka amin’ny kolikoly sy ny halatra ary fanamparam-pahefana izay ataon’ny minisitry ny foloalindahy ny jeneraly Sahivelo sy Ravatomanga izay navoakan’ny televiziona Kolo TV, dia be dia be ny olona no gaga ny amin’ny fahasahian ‘ity colonel Rakotomamonjy Patrick ity.
Ny zava-misy ankehitriny dia efa matahotra milaza ny marina sy ny zavatra tsy mety ataon’ ny fitondrana Andry Rajoelina ny olona. Ity colonel ity anefa dia sahy nanambara ampahibemaso ny zavatra niainany sy hitany mahakasika ny kolikoly sy ny halatra ary ny fanamparam-pahefana izay ataon’ny fitondrana ankehitriny.
Midika zavatra be eo amin’ny tontolon’ny politika malagasy iny raharaha iny. Samy manana ny fomba fandraisany avy ny olona rehetra, ny itambaram-be ny fanehoan-kevitra anefa dia faly tamin’ny fanambarana nataon’ny colonel Rakotomamonjy Patrick iny avokoa. Tsy hay tenenina intsony ny fifampiantsoana tamin’ny finday manerana an’i Madagasikara.
Ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina aza dia nangataka amin’ny fitsarana ny homoahana ny vadiny avy any am-ponja avy hatrany raha niresaka tamin’ny Televiziona Malagasy na ny TVM izy ny alahady 4 May 2025. Midika izany fa tena misy ny tsindry hazolena atao tamin’io ramatoa vadin’ny colonel io. Midika koa izany fa manao tao foana ny fitsarana eto Madagasikara matoa nilaza iny ampahibemaso ny filohampirenena izay filohan’ny fitsarana. Mbola midika koa ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena iny fa tsy mirindra intsony ny fomba fiasa ao amin’ny fitondram-panjakana io fa samy manao izay tiany hataony ireo tomponandraikitra ara-panjakana.
Ny raharaha ity koa dia azo lazaina fa misy tsy fitovian-kevitra koa ao amin’ny foloalindahy ao dia ny polisy ny zandary ary ny miaramila. Zava-doza ange no ahitana hoe colonel amperin’asa no mamaky bantsilana ampahibemaso ny zavatra tsy mety ataon’ny minisitry ny foloalindahy ireny. Azo adika koa iny raharaha iny fa tsy milamina intsony ny fitantanan-draharaha zo anivon’ny fanjakana ao.
Ny zava-misy koa dia nanome rariny ilay colonel ny olona rehetra nandre sy nahita iny fanambarana iny.
Dia samy miandry izay mety ho tohin’ny raharaha avokoa ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao
Raharaha colonel Rakotomamonjy Patrick Tratran’ny Ankamoaka ny fitondrana Rajoelina
La gazette de la grande île
08/05/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
410463
Your IP Address: 93.6.105.57
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »