Raha ny fahitako ny zava-misy, ny tetikady tsara indrindra hiarovana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin’ireo “Nosy Éparses”, manoloana an’i Frantsa, dia ny fitambaran’ny paikady diplaomatika, ara-pitsarana, ary ara-politika.
Na dia efa nisy aza ny fanapahan-kevitra avy amin’ny Firenena Mikambana izay manohana an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy Éparses, dia mitohy hatrany ny fitantanana ataon’i Frantsa sy ny fitakiany ara-panjakana.
Raha jerena ny fomba stratejika ampiasain’i Frantsa sy ny fomba fanao mahazatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena, zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny maneho fahavononana hifampidinika, sy mampiseho fahaizana mitondra vahaolana mendrika, nefa tsy mahafoy ny fiandrianam-pirenena.
Fanolorana vahaolana mandanjalanja
Afaka atao, ohatra, ny fanolorana fitantanana iombonana vonjimaika amin’ny lafiny fikarohana siantifika na fiarovana ny tontolo iainana, nefa tsipihina mazava tsara fa vonjimaika izany, ary mitohy hatrany ny fitakiana ny fananantany ara-dalàna.
Ny fahombiazana amin’ny fiverenan’ny ireo Nosy Éparses ireo ho any Madagasikara dia miankina amin’ny fitambaran’ny tetikady diplaomatika, ara-pitsarana, ary ara-politika.
Raha zavatra sy fomba miseho eran-tanteraka, dia mila mijoro amin’ny maha-mpandala ny fandriampahalemana sy ny lalàna iraisam-pirenena i Madagasikara. Tokony ampiasaina amin’ny fomba hentitra ny zava-misy ara-tantara sy ara-dalàna, ary mitaky fisian’ny fanjakana sy fanentanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany.
Noho ireo voalaza eo ambony ireo, Ireto avy no tokony hatao mitambatra :
Voalohany: ny Fanamafisana ny fampiarana ny lalana diplaomatika amin’ny sehatra iraisam-pirenena
- Fanamafisana ny fampiarana ny fanapahan-kevitry ny ONU : Toy ny Résolution 34/91 (1979) izay manentana an’i Frantsa hanomboka fifampiresahana amin’i Madagasikara.
- Famoriana fanohanana avy amin’ny firenena afrikana sy faritra : Mampitombo ny fanohanana avy amin’ny Vondrona Afrikana (UA), ny SADC, ary ny vondrona tsy miandany.
- Fampidirana ny raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena hafa : Ao anatin’ny fihaonambe iraisam-pirenena toy ny Francophonie, G77, sns.
Faha roa, Fangatahana hevitry ny Fitsarana Iraisam-pirenena (CIJ)
- Mangataka hevi-baventy (avis consultatif) amin’ny CIJ, toy ny nataon’i Maorisy tamin’ny Nosy Chagos.
- Fanomanana antontan-taratasy matanjaka: miaraka amin’ireo manampahaizana manokana amin’ny lalàna iraisam-pirenena, hanaporofo fa nosarahana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo nosy ireo alohan’ny fahaleovantena (1958–1960), izay mandika ny Fanapahan-kevitra 1514 an’ny ONU.
Faha teo: Fanamafisana ny fisiana sy fanehoana fiandrianam-pirenena
- Fandefasana ekipa siantifika sy mpiaro ny tontolo iainana any amin’ireo nosy: hanamafisana fa anisan’ny harena voajanahary sy ara-kolontsaina Malagasy ireo faritra ireo.
- Fanehoana hentitra ny fiandrianana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana, hanohanana ny zon’ny mpanjono Malagasy sy ny fiarovana ny ranomasina manodidina.
Faha efatra fanentanana sy fanapariahana vaovao amin’ny sehatra iraisam-pirenena
- Fampiasana ny haino aman-jery maneran-tany hanasongadinana ny fitakiana ara-drariny sy ara-tantara ataon’i Madagasikara.
- Fampandraisana andraikitra ireo ONG sy manam-pahaizana, amin’ny fanentanana sy fananganana hetsika manohana ny fitakiana.
Masina ny Tanindrazana sady tsy hamidy.





