Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ramalagasy voan’ny Bemanaiky :  Mitazam-potsiny sisa no azo atao

La gazette de la grande île
06/07/20252 minute read

Potika tanteraka ankehitriny ny fiainan-dRamalagasy. Tsy misy mandeha intsony izay atao. Mandraharaha ianao, sady tsy misy herinaratra hanodinana ny orinasa kelinao no mbola miakatra 20% ihany koa ny zana-bola takian’ny banky aminao. Voatery ianao mampiakatra ny vidin’ny vokatra vokarinao anefa ny tolotra omenao tsy maharaka sady tsy mahafa-poa ny mpanjifa noho ny tsy fahampian’ny rano sy herinaratra.

Tara avokoa ny famokarana, simba ny orinasa. Milahatra tapak’andro ianao vao mahazo solika ahafahana manodina ny orinasakelinao. Tara ny fanaterana na « livraison », mihato andro maro ny milina noho ny tsy fahampian’ny solika. Tara  avokoa ny mpiasa rehetra vokatry ny fitohanana ateraky ny filaharana solika. Tara ny fiodinan’ny toe-karena rehetra.

Miteraka olana goavana sy mahakasika ny toe-karena rehetra amin’ny ankapobehany ny zava-mitranga ankehitriny.

Tsy ny mpiandrana vola ihany no mizaka ny vokatra ny fiakaran’ny tahan-ny zanabola 20%.

Mitazam-potsiny anefa Ramalagasy. Mitazana ny famotehana ny fireneny. Mitazana ny famongorana ny hareny sy ny fanapotehina tanteraka ny fiainany. Mitazana anefa tsy mahita fa anaty maizina lalandava. Haizina miteraka ny firongatry ny tsy fandriampahalemana.

Mitazana ny mpiray tanindrazana aminy ravain’ny Dahalo sy ny mpamono olona. Mitazana ireo tompon’andraikitra miala andrikitra. Mitazana ny solombavam-bahoaka mandany lalàna amotehana ny firenena.

Tsy mahahetsika Ramalagasy fa reraka. Trotraky ny fanarenana isanandro ny fiainany. Reraka milahatra rano, milahatra solika, lany andro mamahana izay azo fahanana rehefa mba mandeha kely ny herinaratra. Reraka manararaotra ny ora andehanan’ny jiro ahafahana manampy ny ankizy anao enti-mody.

Reraka mitsabo ireo havana marary vokatry ny fivadihan’ny sakafo ratsy tahiry noho ny tsy fisian’ny herinaratra. Reraka manisa ireo maty andro aman’alina noho ny fiainana tsy zarizary.

Reraka Ramalagasy ary izay ilay tanjon’ny mpitondra.Reraka dia mitaza-potsiny sisa. Reraka tsy misy afaka maneho ny heviny, reraka dia manaiky izay hanaovana azy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top