Anatin’ny toe-draharaha sosialy sy ara-toekarena manjavozavo, dia mitombo ny habibiana, ny herisetra sy ny heloka bevava eto Madagasikara. Antony lehibe mahatonga izany ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, izay mandiso fanantenana sy tsy mahavaly ny fitakian’ny maro an’isa. Vokatr’izany, dia toy ny very fanahy mbola velona ny mponina, ka manjaka ny fahantrana, ny habibiana , ny herisetra ary ny kolikoly, izay mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina ara-tantara sy maha-Malagasy
Habibiana, Herisetra sy heloka bevava tsy tambo isaina
Malaza ankehitriny ny heloka bevava mahatsiravina:Fanampozinana olona, vono olona tsy misy antony mazava, fanolanana, fanafihana mitam-piadiana, tsy lazaina intsony ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manaran-dalana manerana ny firenena . Eny atramin’ ny tranga mamoha fady maro ataon’ny havana akaiky mihitsy aza. Ny mpifoka rongony sy mpamaky trano tsy mitsahatra mitombo.
Tsy voaaro intsony na ny ao an-trano. “Toa efa eo am-baravaranay ny fandrahonana, toy ny efa eo an-tokotany ny fahavalo,” hoy ny fitarainan’ny renim-pianakaviana maro manerana ny nosy. Vavolombelona amin’izany ireto tranga niseho tato ho ato ireto:
- Tetsy Ambatomaro – Vehivavy iray no nanindrona antsy ny namany
- Tany Ambatolampy – Vehivavy iray maty notapahan-doha
- Teny Ambavahaditokana, tovolahy iray no maty voatsindrona antsy;
- Tao Ampisikina, lehilahy iray no maty voatsatoka antsy teo amin’ny hatony;
- Tao Ambohibao Bongatsara, nanafika tokantrano ambanivohitra ny jiolahy mitam-piadiana;
- Tany Ambolomadinika Toamasina, lehilahy 23 taona no notsatohan’ny jiolahy.
- Ny fanampozinna olona ataon’ny olona ratsy teto Antananarivo, Mahajanga, Toamasina
Tsy afa-miala amin’ny herisetra ihany koa ny vahiny izay iharan’ny vono olona sy fakana an-keriny. Any ambanivohitra, manjaka ny tsimatimanota sy ny fahalemen’ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ny lalàna.
Fahantrana lalina sy fanondranana olona an-tsokosoko
Ao anatin’ny fahantrana lalina, dia mitombo ny fanondranana olona an-tsokosoko, ahitana fanararaotana ara-nofo amin’ny ankizy sy ny asa an-terivozona. Misy mihitsy amin’ireo ray aman-dreny mamoy fo no voatery mivarotra ny zanany , na mivaron-tena mihitsy, mba hahafahana miaina. Tranga mampiseho ny fahasimbam-piarahamonina sy ny fahantrana lalina lalovan’ny firenena.
Taham-piakarana manohintohina ny fiainam-bahoaka
Araka ny tatitra farany navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara, izao no tarehimarika mampiseho ny fiharatsian’ny toekarena:
- Fiakaran’ny vidim-piainana: +8,4%
- Fiakaran’ny vidin-bary: +28,2% (ary mihoatra ny +212,9% amin’ny fanafaram-bary)
- Fitotongan’ny fandraharahana: -5,1%
- Fitotongan’ny fanondranana lavanila: -45,3%
- Fitotongan’ny fanondranana jirofo: -47,9%
- Tsy nisy fiakarana karama: 0%
Antso avo ho an’ny firenena
Vokatry ny zava-misy rehetra ireo, dia mihasarotra andro aman’alina ny fiainana: tsy ampy asa ny tanora, mananika ny fara tampony ny vidim-piainana, ary miaina anaty fahantrana lalina ny Malagasy. Tsy mendrika ny hihafiana amin’izany ny vahoaka Malagasy.
Tandindomin-doza ny firenena. Tsy mendrika any izao ny Malagasy
Tandindomin-doza ny firenena malagasy sy ny vahoaka malagasy. Mila fifohazana sy fihetsika maika avy amin’ireo rehetra mahatsiaro tena fa mbola manana andraikitra eto amin ‘ny firenena sy ny olom-pirenena tsirairay izao fotoana izao, ho fiarovana ny maha-olombelona, ny hasin’ny aina ary ny hoavin’ny taranaka Malagasy.





