Aoka izay ry Fanjakàna ! tena tianareo ny milaza io fehezanteny io rehefa mitokona sy mitaky ny zony ny mpiasa, koa averinay aminareo izy izao : AZA ATAO SORONA NY VAHOAKA !
Sorona ny vahoaka nahatoky ny lainga marivo tototra nataonareo tamin’ny fampielezan-kevitra. Nahatoky fa dia ho foana tokoa ny delestage. Nametraka ny fahatokisana taminareo fa handroso, hisakafo ara-dalàna ary handry fahalemana.
Indrisy anefa, ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Potika tanteraka ilay firenena. Difotra takon’ny lainga nasesika azy ny vahoaka.
Lasa sorona avy any Avaratra ka hatrany Atsimo. Ataonareo sorona andro aman’alina tsy manana jiro, rano, tsy misy atokona. Tsy afaka miary , mitaintaina lava.
Ianareo fanjakàna no tena manao sorona ny vahoaka. Marary tsy mahateny fa tafalatsaka lalina loatra. Ataonareo takalon’aina ny andavanandrom-piainany. Ianareo no mandroso, fa ny vahoaka miemotra hatrany.






