Hatao ny Safidim-bahoaka nefany ny demokrasia dia marefo dia marefo: tapin-dalana kaleha ny Malagasy.
Mendrika demokrasia ve ny ankamaroan’ny Malagasy tsy nahita fianarana ? Fanontaniana mety hanaitra saina io, saingy ilaina atao. Eto Madagasikara, rehefa betsaka ny olona tsy nahazo fanabeazana na tsy ampy fahaizana, dia sahirana mafy ny demokrasia miorina amin’ny safidim-bahoaka (une democratie basee sur le suffrage universel).
Vokatry izany, tsy mitondra fampandrosoana iombonana io rafitra io, fa matetika kosa dia miteraka fikorontanana sy fitaka.
Tsy mandeha mihitsy ny demokrasia raha tsy misy fanabeazana
Ny fanabeazana no fototra iorenan’ny demokrasia iray salama. Izy no manome hery ny olompirenena hahatakatra ny zava-misy, hanao safidy mazava tsara, tsy ho mora voafitaka, ary hiaro ny zony.
Raha tsy ampy fanabeazana ny vahoaka, dia mora voafitaky ny fampanantenana tsy mitombina, kabary mandresy lahatra amin’ny fihetseham-po, na koa amin’ny firesahana foko sy firehana.
Ny demokrasy tena izy dia tsy misy raha tsy miaraka amin’ireo fototra telo manaraka ireto :
- fanabeazana ho an’ny rehetra,
- gazety sy fampahalalam-baovao afaka sy mahaleo tena,
- ary fiarahamonim-pirenena matanjaka sy mandray andraikitra.
Zavamisy eto Madagasikara : fitaka, fanomezana vola, sy fitsimponana vato amin’ny foko
Eto Madagasikara, noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana sy ny fahantrana lalina, dia mora afetsin’ny mpanao politika ny vahoaka.
Mahay mandresy lahatra amin’ny kabary mandrevo fo ny mpanao politika sasany, na dia tsy manana programa mazava sy azo tanterahina aza.
Lasa fifaninanana hividy vato ny fifidianana.
Sakafom-bary iray gony, vola kelikely, na fampanantenana manokana dia efa ampy hahazoana safidin’olona. Ity fomba ity dia manome laka ny kolikoly ary mamerina amin’ny toerana ny rafitra politika tsy mahomby.
Ankoatra izay, maro no mifidy araka ny foko, firehana ara-pivavahana, na fifandraisana manokana, fa tsy amin’ny hevitra na fahombiazan’ilay mpanao politika. Izany no manimba ny maha-izy ny demokrasia, satria lasa tsy mifidy amin’ny fahaiza-mitantana intsony ny olona, fa amin’ny fitongilanana.
Andrimpanjakana malemy, demokrasia an-taratasy fotsiny
Tsy mbola miorim-paka ny kolontsaina demokratika eto amintsika. Maro amin’ny olompirenena no tsy mahafantatra ny zony sy ny adidiny.
Tsy tena miasa ny fisarahan’ny fahefana (fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, sy fitsarana), tsy mahaleo tena ny fitsarana, tsy ampy ny fahalalahan’ny fampitam-baovao, ary matetika dia tsy misy ny adihevitra ho an’ny daholobe.
Misy amin’ny taratasy ny andrimpanjakana demokratika, fa voahodina amin’ny zava-misy andavanandro. Malemy ny fanjakana tan-dalàna, ary mihamafy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra politika.
Vokany : korontana sy tsy fandrosoana
Raha tsy takatra sy tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny demokrasia, dia mitondra korontana. Tao anatin’ny folo taona farany, dia nanana toe-javatra maro i Madagasikara :
- fihetsiketsehana mahery vaika,
- fandavana ny vokam-pifidianana,
- fanonganam-panjakana,
- ary krizy politika tsy tapaka.
Tsy vitan’izany fa sakanana amin’ny fandrosoana izany toe-javatra izany, manakana ny fidiram-bola sy famatsiam-bola avy any ivelany, ary mahatonga an’ireo Malagasy maro kokoa ho latsaka anaty fahantrana lalina.
Famaranana
Mila demokrasia mifanaraka amin’ny zava-misy marina eto amin’ny firenena i Madagasikara.
Demokrasia tena izy tsy mifarana amin’ny fandehanana mifidy indray mandeha isaky ny dimy taona. Mila vahoaka voaofana, mahalala ny zony, ary mandray andraikitra izany.
Ny ho avin’ny demokrasia eto amin’ny firenentsika dia miankina amin’ny :
- fampiasam-bola lehibe amin’ny fanabeazana,
- fanamafisana ny andrimpanjakana,
- ary fampanajana ny fahalalahan’ny gazety.
Fa raha tsy afaka na tsy vonona hampiasa hery sy vola amin’ireo laharam-pahamehana ireo ireo mitondra ankehitriny, dia aoka hanana herim-po izy ireo hilaza am-pahatsorana fa tsy afaka mitondra intsony — ka hametraka ny fialany.
Satria ny fitondrana tsy misy vina sy tsy manaja ny fototry ny demokrasia dia tsy fitondrana intsony, fa sakana amin’ny hoavin’ny firenena.





