Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ry Malagasy Mora Rebirebena : tsy tao Ambohimalaza ihany no nisy maty !

La gazette de la grande île
24/07/202556 second read
Ny raharaha Ambohimalaza no rohitina sy anaovana izao fihetsika rehetra izao entina hisarihana ny sain’ny maro, fa aona kosa ny momba ireo havan-tsika maty sasany any amin’ny faritra hafa ? . Nisy 2 tao Toamasina, nisy ampolony maro (19) tao Ambositra, nisy maro hafa tany Toliara ary mbola maro ireo tranga niniana notakomana sao handoto ny fitondràna.

Hitarina sy entina hanodinana ny sain’ny Malagasy tsy hifantoka amin’ny raharaha hafa nahafatesan’olona maro iny raharaha tetsy Ambohimalaza iny . Tadidio anefa ry Vahoaka Malagasy fa maro ireo maty tato anatin’ny herinandro vitsy vokatry ny fitahirizan-tsakafo tsy ara-dalàna.

Nisy 2 tao Toamasina, nisy ampolony maro (19) tao Ambositra, nisy maro hafa tany Toliara ary mbola maro ireo tranga niniana notakomana sao handoto ny fitondràna.

Malagasy ihany koa anefa ireny maty ireny, na iray fotsiny aza ny Malagasy maty vokatry ny tsy fahatomombanan’ny herin’aratra dia tompon’Andraikitra feno ny fitondràna.

Tsy azo atao tsinotsinona ny ain’ireo Malagasy latsaka noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana ny firenena ka mapanantena pôkaty lava anefa ny Malagasy ripaka maty isanandro.

Ny raharaha Ambohimalaza no rohitina sy anaovana izao fihetsika rehetra izao entina hisarihana ny sain’ny maro, fa aona kosa ny momba ireo havan-tsika maty sasany any amin’ny faritra hafa ?

Botulisme tompoko na fanapoizinana azo avy amin’ny tsy fahatomombananan ’ny fitahirizana no nahafaty ireo Malagasy ireo. Ny fanjakàna no namono azy ireo ary azo atao tsara ny mitory ny fanjakàna.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top