Raha ireto zavatra ireto no hita manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara, dia mandroso marina sady sambatra ny Malagasy:
- Tsara ny fari-piainan’ny Malagasy
- Misy fitoniana ara-bola
- Miasa miaraka amin’ny karama mendrika sy toe-piainana tsara
- Salama tsara
- Mahazo fahafahana malalaka hampivelatra fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampianarana mora sy manara-penitra
- Manana trano fonenana milamina sy azo antoka, anaty fandriampahalemana tanteraka
- Mifandray mora amin’ny hafa, na ara-batana na amin’ny alalan’ny teknolojia
- Miaina anaty fiaraha-monina milamina
Inona no lava misy? Indrisy, tsia ny valiny amin’ny ankapobeny. 80 isan-jaton’ny Malagasy dia mbola mahantra sy fadiranovana. Mandry tsy lavo loha. Tsy rariny ary tsy azo ekena intsony ny zava-misy.
Ny Raiamandreny, izay tokony ho tandroka sy maso ho an’ny firenena, toa manitsakitsaka ny fihavanana mihitsy.
Ny fitondrana dia tsy voninahitra fotsiny, fa adidy masina amin’ny vahoaka tsy ankanavaka.
Tsy azo ekena ny mangatsiaka an-kavana, mafana an-kavia, na manilika ny sasany, na ho 10, 12, na 14, nefa maro an’isa no mpanaraka sy tia ny fotokeviny.
Ny maha-Malagasy antsika dia ny mihaino, mifampitsinjo, ary indrindra ny mifampihavana.
Ny fihavanana no hazan-damosin’ny firenentsika.
Rehefa miorina amin’ny fihavanana ny fitondrana, dia miorina amin’ny fandriampahalemana sy fandrosoana ny firenena.
Ankehitriny:
Ny banga no manjaka,
Ny tsy mahalala no manintona,
Ary ny adala no mampitony ny vahoaka reraka.
Efa ivadihan’ny tany sy ny lanitra,
Fa ny feon’ny hendry tsy re, mangina.
Toa verivery anaty aloka ny fahendrena,
Ka ny horakoraky ny adala no lasa lalàna sy didy.
Ny tsy fahaizana dia lasa voninahitra,
Ny tabataba no mahazo seza,
Ary ny fahaizana dia ankasitrahana ihany raha tsy manohitra.Indrisy!
Mila fanovana ny fomba fitondrana ny firenena.
Mila Raiamandreny hendry, manam-pahaizana, tsy ho mpitondra manjakazaka, fa ho Raiamandreny mpanompo ny Malagasy rehetra, tsy ankanavaka.
Tsy hijery ny tombotsoany, fa hijoro ho mpandala ny rariny sy ny fihavanana, ary hametraka tontolo iainana hahafahan’ny Malagasy:
– hifampihaino,
– hifampitsinjo,
– hifampanaja.





