Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanehoan-kevitra hentitra momba ny zava-mitranga , 28 Septambra 2025 – sy vaovao farany (momba an’Atoa Andry Rajoelina , session extraordinaire convoquée par les Députés) )

La gazette de la grande île
29/09/20256 minute read

Miarahaba antsika ,

Toa nilamina ny androany alahady, « trêve » angamba. Samy niertreritra ny rehetra fa andro hivavahana angamba, ho an’ny Mpino, na tanora ny lehibe. Na koa simplement andro fitsaharana androany , hakàna aina.

Atoa Andry Rajoelina no hita @ Facebook nandeha androany : 

1) nihaona t@ Forces de défense et de sécurité (FDS) 

Loharanombaovao: pejy Facebook 24h Mada

Hoy ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Pejiny:

« Nanatrika ny fampivondronana na ny rassemblement an’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ny tenako androany maraina.

Nampahatsiahy azy ireo ny adidy sy andraikitra iantsorohan’ny FDS (Force de défense et de sécurité) izay hikambanan’ny Tafika ny Polisy ary ny Zandary.

Nanantitra sy nanazava ny paikady hoentina manome toky ny rehetra aho amin’ny fandraisana andraikitra hiarovana ny vahoaka sy ny fananany.;;;

Namerina ny fankasitrahana ary ny fanohanana azy ireo hatrany mba ho ny tombontsoan’ny daholobe lalandava no katsahina, ho an’ny Tanindrazana. » »

2) Nihaona tamin’ny olom-pirenena maromaro nivory  tany Anosibe io niaraka ny Député Tana4 , ny « Gouverneur »,ny Minisitra ny Fanabeazana  Ramatoa Ben’ny Tanàna

Anisan’ny nambarany dia : « Zakaiko ny heloka rehetra sy ny alahelo « ets ets…

Aminay, toa mazava be fa olona mpomba azy no nihaonany  satria nitehaka be ny olona rehefa avy miteny Atoa ANR ;  misy olona nilaza   » misaotra betsaka Prezida  » « mialona ireny olona ireny« …ets ets. Ilay député moa nikabary « tsara ».

Vaovao farany

Source Midi Madagasikara , il y a 1h

En réaction aux violences, aux destructions et aux tensions observées dans le pays, l’ensemble des Députés de Madagascar a rendu publique une déclaration. Les élus annoncent la prochaine convocation d’une session extraordinaire de l’Assemblée Nationale. L’objectif déclaré de cette réunion est d’examiner la situation de crise et de définir des solutions durables pour la Nation, en exerçant les pouvoirs qui leur sont attribués par la Constitution.

#madagascar #actualité #informations

Jereo ny commentaires ataon’ny olona

 =========================================

FANEHOAN-KEVITRA NATAON-dRAMATOA Ketakandriana RAFITOSON

[Tafiditra teto ihany aho ny farany rehefa bloquée andro vitsivitsy izay!]

Any aminareo very aina, fananana, fivelomana ary fanantenana manoloana ny fampihorohoroana faobe mianjady amin’ny Malagasy manerana ny lafivalon’ny Nosy no miantefa ny saina.

Mora amin’ny mpitondra ny manao tsinontsinona ny zavamisy ankehitriny ka toa manondro molotra hoe « akorinao izay », « efa nampitandrina izahay » na hoe « hadalan’olombitsy izao e », « ianareo ihany no nampisy korontana teto », « reko sy tsapako… », pfff. Mora ho an’ny « mpitandro ny filaminana » (asa filaminan’iza aloha no tandrovany!) koa ny mamerina hoe « baiko no tanterahanay ». Fa tsy misy fo mitempo izany, tsy misy saina hihevitra ny rariny sy ny hitsiny? Sa marina tokoa ve ilay voalazan’izay olona iray izay hoe « matoa ngeh miditra maramila na zandary na polisy izany dia efa vonona hanary izay maha-olona e, vonona ny ho robot mpanatanteraka »? Mahakivy ihany raha tena izany tokoa…

Tsy vao izao akory no nisy ny fitarainana mikasika ny fiainana tsy manjary eto Madagasikara. Tsy vao izao akory no mijaly ny olona, fa izao kosa vao sahy nisy nijoro nanatevin-daharana an’ireo efa mpimenomenona tsy nisy nihaino hatramin’izay… Ary sahy nikiaka hoe « Ampy izay, hajao ny zonay! »… Sahy nijoro ny tanora sy ny olona maro samihafa, natosiky ny fanantenana vahaolana maharitra sy fihainoana. Saingy poabasy sy herisetra no nitsena!

Lamina maty paika no efa napetraky ny « sasany » raha ny hevitro. « Avelao hihetsika eo anie, tonga dia ampihorohoroana amin’ny fivelomany sy ny fananany, tsy avela handry na andro na alina fa asaina miaina ao anaty tahotra. » Efa nanomana ireo andian’olona tsivanona asaina mandroba etsy sy eroa ireo ry zareo. Efa voafaritra hatramin’ny magazay asaina ho vakiany sy dorany koa aza angamba. Mba ho vetivety dia leo ny daholobe hoe « io indray! », « 2009 bis ve? Aleo hilamina »… Faly ve ianareo izao fa mihorohoro tokoa ny iray tanàna? Mpiray tanindrazana aminareo ihany, enjehina toy ny alika!!

Fa tsy ny hanongana anareo anie no nijoroan’ireo tanora ireo e, nahoana no matahotra ianareo hihaino azy? Sa mahamahana ny mpanao ratsy? Matahotra ny ifoteran’ny ohatra sy fomba ratsy nomenareo t@ 2009?

Tsy mora tokoa izany mitondra firenena izany. Tsy adala koa ny olona, mahafantatra hoe tsy hisy miracle eo ka hifoha isika rahampitso dia ho foana ny delestazy ary hikoriana ny rano madio. Fa ilay filonana be hampiatra ny vahaolana izay efa iaraha-mahalala (tsy hiditra lafiny teknika aho, fa misy tokoa ny vahaolana fa ny finiavana hampiatra azy no tsy misy) ampolotaonany maro no maharomotra ny olona. Ilay tsy firaharahiana ny filetehan’ny Malagasy anaty lavaka mangitsokitsoka ka fanasana vatokely amin’ny savony no resaka atao, ny fampandriana adrisa sy fanaovana tositosika, modimody, famonoana afo etsy sy eroa, izay no maharomotra ny olona. Ny vava tsy sazoka sy fandrangitana samihafa ataonareo mpitondra isanambaratongany manoloana ny alahelon’olona, izany no maharoromotra. Ireny resaka « pauvres mais heureux » ireny no maharomotra ny olona (toa mandatsa hoe tsy maninona ngeh izany mahantra izany e, iareto ao foana aloha fa ampifalifaliana kely eny ianareo indraindray dia mety io. Ndao asiana afomanga kely aloha, izarao vola iray hetsy indray e, izarao sakafo kely…) – ROMOTRA IZAHAY, eny tokoa, dia hadisoanay ve izany?

Izao dia sarahanareo vazana ny samy Malagasy. Misy ireo efa nosafidianareo ho atao fitaovana manokana hatramin’izay hanatanteraka izay hevidratsinareo. Olona fantatrareo fa mora etsehina noho ny fahantrany efa lalina loatra ka zary mankahala izay manana kely fotsiny kokoa noho izy… Kolontsaina lomorina anie no nampiharinareo teto hatramin’ny 2009, « vola mora, vary mora, sns » – ka tena nandaitra tokoa tamin’ireo sokajin’olona ireo ilay izy. Dia ny samy mponina no hifamono eto ny farany sanatria – satria tsy maintsy hiaro ny fananany kosa ireo « cibles » rehefa tsisy hiaro izy ko!! Kanefa ianareo no miketrika an’izany rehetra izany ao ambadika ao! Toa mampiady angely sanatria, ka manao ny olona toy ny biby!

Mankaleo e. Mampivonto fo. Maharikoriko. Mararomotra. « Ka haninona ary » hoy ianareo? Mino aho fa mbola maro ny olona vonona hitolona amin’ny fo madio, tsy misy kajy politika, ary tsy mankasitraka izao fampihorohoroana ataonareo izao. Te-hankahery ny rehetra aho, indrindra ireo zandry nijoro teny Ambohijatovo, tany Diégo, tany Antsirabe sns, hoe « aza mbola kivy ». Fitaovan’ny kely loha ny herisetra, ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Isika Malagasy mino ny fisian’ny tsiny sy ny tody, tsisy ho afa-maina izany eo!!

Sikino aloha ny herim-po, atanjaho ny saina sy ny fo ary ny fanahy, dia aleo atambatra ny hery, fa efa roso ny dia, tsy hitsahatra ny fikatsahana ny tsara ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Isika ihany no heriny fa tsy misy hamonjy antsika eto.

Fa izao, andao aloha isika hiara-hitaky ny fitsaharan’ity herisetra sy fampihorohoroana faobe ity. Izay no hitako hoe tolona fohy ezaka indrindra tsy maintsy atao, satria tsy azo ekena izao! Aza manaiky lembenana! Alaivo video foana ireo mpanao ratsy, aleo hisavovona ny porofo, ho atao hitam-poko hitam-pirenena! Samia isika mahery!

#StopRépression #StopTerreur #AvelaoIzahayHiaina #Hikampanafahana #DemokrasiaMainty

Ny hevitro

Misy olon-dratsy  » lehibe » namporisika na mamporisika ny olona madinika handroba sy handoro ny fivarotana lehibe sy kely. Tsy tonga tonga ho azy ireny olona mibata entana ireny fa nisy olona « au courant  » nanosika azy sy nanoro tsara. Iny olona na ireny olon-dratsy no tsara identifier-na.

 

Seven Deadly Social Sins

Politics without principle

Wealth without work

Commerce without morality

Pleasure without conscience

Education without character

Science without humanity

Worship without sacrifice

– Gandhi –

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top