Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

AMPY IZAY. “Lasa izao tsy mipody koa” ary tsy hiverina intsony.

La gazette de la grande île
01/10/20252 minute read

Leo tanteraka izahay , amin’ity elita vitsivitsy izay mampiasa ny firenena ho amin’ny tombotsoany manokana fa tsy manompo azy.

Ny fahatezeran’ny tanora, tsy fihetsika adaladala izany. Fa feon’ny taranaka efa nafoy.

Tsy misy asa, tsy misy ho avy mazava, fanabeazana tsy mahavita manomana ny fiainana, ary hoavy izay lavin’ny fitondrana.

Izao hita-poko hitam- pirenena fa Mpitondra — tsy mihaino, tsy mahafantatra, tsy manova na inona na inona.

Nandritra ny taona maro, notampenan’i Andry Rajoelina sy ny firongony ny vavan’ny vahoaka. Notampenany ny adihevitra, novonoiny ny feon’ny mpanohitra, ary gaga izy ankehitriny fa mifandramatra ny arabe.

Fanilihana ny governemanta ? Tsy vahaolana izany.

Ny ratra mbola misokatra fotsiny. Ohatra amin’ny fitoniana an-taratasy, fa tsy fanasitranana marina.

“Tapa-kevitra tsy miady hevitra, toy ny fanafody tsy mandalo dokotera.”

Vonona ve Andry Rajoeina Tena hihaino ? Hiresaka marina ? Hanome fanantenana ? Tsia ny valiny.

Ary isika kosa ? Vonona ve isika haka indray ny hoavintsika ?

Génération Z no vahaolona . izao no fotoana. Raha tsy izao, dia ho tara loatra.

Hoy ny GEN. Z

Tsy te hiaina hiaina fotsiny intsony izahay, fa te hanana fiainana milamina.

Tsy te hangataka andro intsony izahay, fa te hanapa-kevitra.

Tsy te hiandry intsony izahay, fa te hanova tantara.

“Lasa izao tsy mipody koa “ ary tsy hiverina intsony.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top