Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Praiministra vaovao : Jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa

La gazette de la grande île
07/10/202556 second read

Voatendry ho Praiminisitra vaovao nasolo an’i Ntsay Christian ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa avy amin’ny Tafika Malagasy.
Ny alatsinainy faha 6 Oktobra 2025 no nanendren’i Andry Rajoelina azy tamin’ny 8 ora sy 30 mn alina teo anoloan’ny depiote Irmar maro.
Praiminisitra natao hamaha olana amin’ny krizy politika ankehitriny izao no fanendrena azy. Ny GenZ izay mpitarika ity tolona ity sy ny vahoaka mpomba azy dia manizingizina fa miala ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina. Milaza ireo vahoaka malagasy ireo fa ny vaha olana ankehitriny dia tsy resaka Jirama intsony na ny jiro sy rano intsony fa ny fitantanana amin » ny akapobeny ny fitondrana ny firenena. Hatrany amin’ny faritra 23 dia nanambara ny maharary azy avokoa ary mangataka ny fialan’i Andry Nirina Rajoelina ankehitriny
Raha ny zava-misy dia efa nilaza ny GenZ fa tsy hanaky ny governemanta hitsangana eo raha toa ka Andry Rajoelina no mitondra ny firenena.
Eo anatrehan’izao fanendrena ny Praiminisitra vaovao izao dia hilamina ve ny krizy politika misy amin izao fotoana izao? Raha ny zava-misy any amin »ny Facebook dia milaza avy hatrany ireo mpanohitra ireo fa ny fialan’ i Rajoelina no vahaolana amin’izao fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top