Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Praiministra vaovao : Herintsalama Rajaonarivelo

La gazette de la grande île
21/10/202530 second read

Tafapetraka androany 20 Oktobra 2025 ny Praiminisitra vaovao Herintsalama Rajaonarivelo izay natolotrin’ny depiote ary notendren’ny filoham-panjakana ny colonel Randrianirina Michael.
Olona tsy dia fantatra teo amin’ny sehatra politika. Ny voalaza dia teknisiana momba ny varotra izy ka efa nitantana ny FIVPAMA. Efa mpanolotsaina tao amin’ny kaominina Antananarivo koa izy tamin’ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina.
Miandry ny fanovana ho entin’ity Praiminisitra ity sy ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao ny vahoaka malagasy. Izy roalahy ireo no ipetrahan ny fanantenana takian’ny mpitolona voalohany.
Be dia be ny mpanao politika diso fanantenana fa tsy lasa Praiminisitra ny olon’izy ireny. Mbola tsy nahenoana feo kosa ny tanora GenZ.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top