Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Herintsalama Rajaonarivelo MILA KIFAFA ANJAVIDY!

La gazette de la grande île
23/10/202536 second read

Tahaka ny mamafa tohatra ny ady amin’ny kolikoly; avy any ambony no fanombohana azy. Izany hoe, mila KIFAFA ANJAVIDY mihitsy izany raha tiana ny hanadio tanteraka. Ireny ANJAVIDY ireny mantsy no akora fanamboarana kifafa tena mafy sy manala ireo loto marihitra sy miraikitra.
Mampametra-panontaniana ny maro nefa ny mikasika ny raharaha CNAPS. Am-polony miliara maro no voaroba tao kanefa isan’ny nanana andraikitra tao amin’ny CNAPS, raha ny hita amin’ny tambazotra, ny praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo.
Tsy azo andrasana ho maina be nefa ireny ANJAVIDY ireny fa lasa mora tapaka. Noho izany, dieny mbola mahafeno fepetra ilay KIFAFA dia tokonybhatomboka haingana ny famafan-trano sy tohatra ity.
Maromaro ireo trano sy tohatra voalaza fa maloto manala-baraka: CNAPS, JIRAMA, MADAGASCAR AIRLINES, SMGD, LADOANY, sns.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top