Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Scoobidoo sy 500 Ar

La gazette de la grande île
23/10/202545 second read

Hafatra nalaza be avy tamin’i Varira ny hoe: »homena scoobidoo sy 500 Ar hataony frais mody ireo olona nogadrainy amin’ny fotoana hivoahany ny fonja. Izany hoe, hopotehana tsy hanana na inona na inona intsony mialohan’ny hivoahana ny fonja. Nalaza be tany am-ponja io hafatra avy amin’i Varira io.
Mazava araka izany fa paika maloto hamotehana ireo izay manelingelina avokoa ireny fanagadrana nataon’i Andry Rajoelina sy ny forongony ireny.
Voarain’izay niantefan’io scoobidoo sy 500 Ar io ny hafatra avy amin’i Varira ary isaorana azy noho izany hatsaram-po nananany izany. Saingy izao, miandry fantratra ilay AUDIT nampanantenain’ny Praiminiaitra, hitaterana amin’ny vahoaka hoe tahaka ny ahoana no nataon’izany olona nampanantena scoobidoo sy 500 Ar ho an’ny olona nampidiriny am-ponja izany.
Tsy ho lava ny resaka fa ho avy tsy ho ela ny valin-kafatra. Efa 600 Ar koa izao no saran-dalan’ny taxi-be fa tsy 500 Ar intsony tompoko o!

Ianareo rahateo tena VISIONNAIRE be mihitsy nanangana ireo FONJA MANARA-PENITRA.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top