Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Aoka ny fieritreretana no hitondra, ho an’ny fanarenana ny firenena Malagasy, fa tsy ny vola sy ny basy.

La gazette de la grande île
25/10/20253 minute read

Rehefa mitondra ny fieritreretana, dia tsy misy hery afaka mandresy an’i Madagasikara.

Manerana an’i Madagasikara, na any an-drenivohitra be tabataba na any ambanivohitra mangina, dia misy feo mitovy maneno : tsy avy any ivelany intsony ny loza, fa mipetraka ao anaty fanahy sy rafitra.

Toa misy aretina lalina mitroka tsikelikely ny firenena dia tsinona fa ny herin’ny vola sy ny basy tsy misy rariny.

Tena mahantra ny Malagasy eny Indrisy eny amin’ny rafitra rehetra , dia lasa toy ny andriamanitra vaovao ny vola. Ny basy, indray, lasa miteny amin’ny toerana tokony hitenenan’ny fahamarinana. Andriamanitra, lasa fomba fiteny handresana lahatra!

Ireo olona manam-pahendrena sy manam-pieritreretana, izay tokony ho mpitari-dalana ho amin’ny soa iombonana, dia tsy re intsony na hatao izay tsy handrenesana azy.

Lasa manjaka ny kolontsain’ny tombontsoa manokana, kolontsaina mamelona ny “izaho aloha vao ianao”.

“Ny vola tsy mamokatra fahamarinana, fa miteraka fitiavan-tena.”

“Ny basy tsy manan-tsaina, fa manan-kery.”

Ny zava-misy ankehitriny, raha fintinina amin’ny zavatra mitranga tato ho ato, dia toy izao no azo ambara :

Tsy manome sakafo ny fieritreretana, fa ny kolikoly no mampivelona.”

Izany no mampiseho ny fahorian’ny Malagasy ankehitriny — rehefa miady amin’ny fahantrana sy ny tsy rariny, dia very an-tsoratra ny fahamarinana.

Ny fihetsiketsehana sy ny hetsika vahoaka, izay tokony ho fanehoam-pitia tanindrazana sy fitiavan’ny marina, dia lasa fitaovan’ny mpanararaotra.

Ny vahoaka mitaraina, saingy ny feony dia sintonin’ny hery maizina, amin’ny tanana manafina, mitarika ny fahatezerany ho amin’ny lalana tsy marina.

“Ny vahoaka toy ny rano : raha tsy misy lalana tsara, dia mandrava.”

Toy izany no iainan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao : demony anaty endriky ny vola sy ny hery, izay mandrendrika ny fanahy sy manakona ny fahazavan’ny marina.

Fa raha ny marina, tsy fahavalo ivelany intsony no atrehina, fa fahavalo ao anaty ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola, ny fahanginan’ny fieritreretana.

Kanefa, mbola misy taratra fanantenana.

Any an-tanàna sy any ambanivohitra, misy tanora miezaka mamelona indray ny hasin’ny firaisankina sy ny fahamarinana.

Mbola misy ireo tsy manaiky ho resy amin’ny fitiavan-tanindrazana, ireo manandratra ny fahamarinana na dia eo aza ny tahotra sy ny fahantrana.

“Ny fahazavana tsy azo afenina anaty harona.”

“Tsy maty ny fanahy Malagasy, na dia potika aza ny tany.”

Izay manana feon’ny fieritreretana dia mbola afaka mitarika. Satria ny tena hery, tsy ny basy na ny vola, fa ny fahatsiarovan-tena sy ny fahamarinana.

Resy lahatra aho fa raha mitambatra ny feon’ny fieritreretana, dia mihorohoro ny herin’ny tsy marina.

Tonga ny fotoana, mifohaza hanangana indray ny firenentsika amin’ny fototra tsara.

Rehefa mitondra ny fieritreretana, dia tsy misy hery afaka mandresy an’i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top