Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ady amin’ny kolikoly GIAZO AVOKOA

La gazette de la grande île
28/10/202547 second read

Tafatsangana ny governemantan’ny Fanavaozana. Anaovana antso avo ireo minisitra mba hanageja tsy misy hatak’andro ny kaonty amin’ny banky an’i Naina Andriantsitohaina, Mamy Ravatomanga ary ireo fananana rehetra azo tamin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana (SODIAT, MSA, POLYCLINIQUE (averina amin’ny OSTIE), COLBERT, AZURA, TOA, PRADON (miverina amin’ny fanjakana izay azon’i Mamy Ravatomanga tao anaton’ny indray alina), VILLA MAHERIN’NY 50 AO AMIN’NY GOLF DU ROVA , NIAG (TSENAM-PANJAKANA), sns).
Halatra avokoa no nahazoana ireo harem-be ireo: fanondranana bois de rose, fanondranana volamena (niaraka tamin’i Nicolas Rabemananjara sy Sylvain Rabetsaroana), volan’ny COVID, sns.
Miandry ny audit sy ny fanenjehana ireo rehetra niray petsapetsa ny vahoaka. Tokony vita mihitsy aza ny audit vao mandray asa satria jiolahy sy mpandroba avokoa no tao aloha.
Tokony ho foanana avy hatrany koa ireo fanendrena masoivoho rehetra teo aloha satria entin’ireo jiolahy misandoka fahefana etsy sy eroa.
Hanokafana fanadihadiana haingana ihany koa ny Dg SAMIFIN, Dg Bianco manoloana ity raharaha Mamy Ravatomanga ity sy Naina Andriantsitohaina. Miandry ny vahoaka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top