Firaisana tsikombakomba sa tsy fahaiza-manao? Mampametra-panontaniana ny zava-misy eto Madagasikara manoloana ny raharaha Mamy Ravatomanga. Mpiray tsikombakomba amin’ity famotsiam-bola amina miliara dolara ity ve ny Dg an’ny Bianco sy ny SAMIFIN sa tsy fahaiza-manao ka tsy nahitan’izy ireo izao raharaha maloto izao?
Sarotra ihany anefa ny hiteny fa tsy fahaiza-manao satria na ny fanendrena azy ireo teo amin’izany andraikitra izany aza dia hinoana fa tsy maintsy nisy fankatoavan’i Mamy Ravatomanga.
Noho izany, tokony hanokafana fanadihadiana ny Dg Bianco sy ny SAMIFIN satria tsy mazava mihitsy ny toerana misy azy ireo manoloana izao raharaha izao.
Raha vao nipaoaka ny afera tatsy Maorisy dia efa tokony nanokatra fanadihadiana avy hatrany tamin’ireo banky nandefa ireo miliara dolara ireo tany Maorisy ny Bianco sy ny SAMIFIN.
Mazava ho azy fa tokony hanokafana fanadihadiana avokoa izay banky nandefa ireo vola ireo tany Maorisy, miampy ny PCA sy ny PDG an’ireo banky ireo.
Hatreto aloha dia fantatra fa tsy afaka miala amin’izany ny PM Herintsalama Rajaonarivelo koa izay indrindra no mahatonga ny maro miahiahy amin’izao fotoana. Hamato-tena amin’ity raharaha maloto ity tokoa ve ny praiminisitra lehiben’ny governemanta?
Famotsiam-bola DG Bianco, DG SAMIFIN
La gazette de la grande île
28/10/2025•54 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626802
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





