Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanjakana fanavaozana Nanjakan’ny antoko TIM

La gazette de la grande île
29/10/202542 second read

Ny depiote Tim Hanitra Razafimanantsoa no minisim-panjakana miadidy ny fanavaozana. Ity ministera ity dia noforonina manokana ho fanantanterahana ny fiovana izay notakian’ny tanora nitaky ny fanovan-drafitra atao hoe GenZ. Ireto GenZ ireto izay tsy maha voafehy ny fanaovana politika velively. Noho izany dia ny depiote Tim Hanitra Razafimanantsoa no nampiandreketana ity ministera isan’ny manan-danja indrindra amin’ny governemanta ity amin’izao fanavaozana izao.
Tsy ny ministeram-panjaka ny fanavaozana ity ihany no azon’ny Tim fa ny birao maharitra ao amin’ny antenimieram-pirenena dia nahazoany toerana telo koa izay mitazona ny andraikitry ny filoha lefitra. Isan’izany Fidel Razarapiera sy Fetra.

Ny tanora GenZ izany dia azo lazaina fa nanome vahana an’i Ravalomanana Marc sy ny antoko TIM indray . Mazava hoazy fa tsy tsy maintsy ny foto-kevitra ny antoko TIM no hibaiko ny fanavaozana sy ny hoavian’ny Madagasikara atsy ho atsy raha izao sary misy ankehitriny izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top