Telo andro tao aoriana ny fametrahana azy ho filoham-panjakana ny colonel Randrianirina Michael izay nataon’ny HCC na ny Fahefana avo momba ny lalàmpanorenana dia nanendry ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izy.
Voafitaka sahady ny filoham-panjakana ity satria dia olon’ny filohampirenena teo aloha Andry Nirina Rajoelina sy Mamy Ravatomanga ity olona nataony filohan’ny governemanta . Tsy ny colonel Michael Randrianirina ihany no voafitaka fa ny vahoaka malagasy izay nangataka Fiovana. Ny Praiminisitra ity dia isan’ny olona niaraka tamin’ny minisitra Naina Andriatsitohaina sy Mamy Ravatomanga sy ny forongony naka ny vola tao amin’ny Cnaps amin’ny fanamparam-pahefana ka nahabakiropotra ity orinasam-panjakana ity ka nampijaly ireo beantitra.
Ity Praiminisitra Voatendry ity koa no voalaza fa isan’ny mpiray tendro amin’ny Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina amin’ny fiaramanidina »Jet » izay an’ity fiaramanidina ity izay ipetrahana fanontaniana maro ankehitriny. Mbola voalaza koa fa isan’ny mpiara-miasa amin’i Ravatomanga Mamy ao amin’ny « Mada rail » koa ity Praiminisitra ity.
Santionany amin’ny zavatra niarahan’i Rajoelina Andry Nirina sy Mamy Ravatomanga ary ny Praiminisitra ny fanavaozana Herintsalama Rajaonarivelo ireo fa mbola holazaina eto ihany ny mahapinamana azy ireo amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Raha ny fitakiana teny amin’ ny GenZ sy ny colonel Michael Randrianirina izay nitarika ny Capsat dia ny fanesorana an’i Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony no tanjona ary hatolotra ny fitsarana izy ireo ho tsaraina nefa dia ny forongon’i Andry indray no notendrena ho Praiminisitra.
Marobe ny vahoaka tsy faly sy tsy manaiky izao ka manakiana sy mandiso tanteraka ny colonel Michael Randrianirina ankehitriny.
Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo Voafitaka sahady ny colonel Michael Randrianirina
La gazette de la grande île
29/10/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626802
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





