Tapa-kevitra tsy hanao politika intsony hono i Naina Andriantsitohaina araka ny kabary nataony nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny jeneraly Lylyson Urbain de René. Mihevitra ny gasy ho mora manadino mihitsy ve ireto « mafy be sy tompon’ny tanàna » taloha ireto e?
Ilay ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra mba efa mody nifona tamin’ny vahoakan’Antananarivo fa i Naina Andriantsitohaina kosa dia tahaka ny madio tsy misy pentina ny fiheverany ny tenany ka hoe « tsy hanao politika intsony aho ».
Izy no tsy hanao politika intsony satria tapa-doha avokoa ireo roalahy lehibeny: Andry Rajoelina very zom-pirenena Malagasy, Mamy Ravatomanga midoboka atsy Maorisy ary mbola handrasan’ny FBI.
Azo hinoana fa hanao fanambarana tahaka ity nataon’i Naina Andriantsitohaina ity ny senatera Nicolas Rabemananjara. Mamy Ravatomanga mantsy no lehiben’izy roalahy voalaza anarana etsy ambony ary tena nisetrasetra tokoa tamin’ny fotoana nanjakan’izany PDG izany.
Mbola vao manomboka ny lalao. Vita aloha izay ny anareo, nahazaka ny famotehana sy ny famonjana aman-taonany, miampy ny herisetra tamin’ny endriny maro ireo olona nosomparanareo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe mba hahazaka ve ianareo atsy ho atsy?
Naina Andriantsitohaina TSY HANAO POLITIKA INTSONY?
La gazette de la grande île
30/10/2025•52 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626787
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





