Ny alakamisy faha 30 Oktobra 2025 no nahafantarana fa lasa any Amerika ny minisitrin’ny vola sy ny toe-karena Rindra Hasimbelo. Voalaza fa lasa namonjy ny asany any Amerika hono izy. Gaga ny olona rehetra raha naheno izany. Tena manao ny malagasy ho dondrona sy vendrana mihitsy. Aiza no hisy asa vetivety eo. Ny azo antoka dia lasa nandositra izy. Ny antony dia izy no tanan-kavanan’i Ravatomanga Mamy nanao fanodikodinana ny volam-panjakana tao sy ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Tsenam-barotra sy fitsaboana ny mpiasam-panjakana terena hitsabo tena any amin’ny hopitaly Ilafy an’i Ravatomanga amin’ny saram-pitsaboana nampitomboana avo folo heny. Tena kolikoly avo lenta no nitranga tao ka nahalany ny volam-panjakana. Ny fanomezana tsenambarotra feno kolikoly sy kiantranoantrano. Vola tsy toko tsy forohana no tsy mazava ny fitantanana nataon’i ramatoa ity nandritra ny fitondrana Rajoelina. Tsy vitan’izany ihany fa misy fitantanana tsy nahomby feno kolikoly koa tao.
Ny olana ara-bola mahazo ny firenena izao dia noho ny nataon’ity ramatoa ity sy Andry Rajoelina, Ntsay Christian ary Mamy Ravatomanga.
Koa satria fototry ny olana ara-bola sy ny kolikoly avo lenta teto Madagasikara ity ramatoa ity dia izao lasa nandositra izao.
Ny azo antoka dia nisy tsikombakomba maloto izao fandosiran’ny minisitra Rindra Hasimbelo izao fa sinema ny sisa.
Miandry ny fitondrana ankehitriny amin’ny fanovana izao ny rehetra amin’ny famerenana haingana ity ramatoa Rindra Hasimbelo ity izay tokony hanaovana fanadihadiana lalina amin’ny raharaha Ravatomanga.





