Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanjakana tetezamita : Tsy mazava ny mason-tsivana hitsarana ireo minisitrin’ny fanavaozana

La gazette de la grande île
03/11/202546 second read

Tsy mazava ny mason-tsivana hitsarana ireo minisitra hoan’ny fanavaozana ireo ao anatin’ny roa volana izay hitsarana azy ireo ka hanoloana na tsia azy ireo.
Ny fangatahan’ny GenZ dia ny fanovana ny rafitra hoan’ny firenena. Koa ny volavolan-kevitra amin’ny fandrafetana ny fanavaozana izany ve ho takiana amin’ireo minisitra ireo sa zavatra hafa? Sa ve ny fandehanan’ny raharaham-panjakana amin’ny ministera izay iandraiketany. Sa kosa ve fijerena ny kolikoly nisy teo amin’ny ministera tsirairay izay nampisy ny fahantrana marolafy nahazo ny malagasy izao ka isan’ny nahatonga ny fanonganana an’i Rajoelina Andry Nirina iny sy ny forongony? Sa ve izy rehetra ireo?
Tsy misy mazava ny raharaha. Tsy misy mahalala izay tian’ny fitondrana hoan’ny fanavaozana izay hahatongavana.
Miandry fiovana ny vahoaka malagasy ary manantena ezaka azo tsapain-tanana avy amin’ny governemanta tarihin’ny colonel Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ity. Tokony hatao ao amin’ny mangarahara tanteraka izany satria izany no tadiavin’ny malagasy amin’izao fotoana izao na nitolona izy na tsia.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top