Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Apollo 21 : RAVATO-NAINA-FLORENCE-ROMY

La gazette de la grande île
06/11/202542 second read

Nisafidy hijanona an-tanindrazana i Paul Maillot, manamboninahitra frantsay tratran’ny vela-pandrika tamin’ny raharaha Apollo 21. Olona 4 no niketrika izany ady heloka be vava izany, rehefa nikasa hanadio ny manodidina an’i Andry Rajoelina ity manamboninahitra ity. Mamy Ravatomanga, Naina Andriantsitohaina, Florence Erhart, Romy Voos. Izy 4 ireo no atidohan’iny afera Apollo 21 iny. Florence no nanatitra vola (250.000 Euros) tany an-tranon’i Paul Maillot, hiampangana ity farany ho mikotrika fanonganam-panjakana.
Me Olala izay namoy any ainy tampoka moa no mpisolovava tamin’ity raharaha ity ary nilaza mazava fa « hanala ireo MAFIA no tanjon’i Paul Maillot ».
Naina Andriantsitohaina sy Florence Erhart no mbola eto Madagasikara, raha migadra atsy Maorisy kosa i Mamy Ravatomanga. Ireto olona 4 ireto no tambazotra goavana nampitondra fahoriana ireo manamboninahitra frantsay roalahy sy mpiray tanindrazana tamin’iny raharaha Apollo 21 iny.
Samy efa nizaka ny herisetra nahazo azy avokoa ireo lasibatra tamin’izany. Azy ireo indray kosa izao no mijinja izay nafafiny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top