Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Miarahaba sady Mirary soa indrindra. Io misy lahatsoratra mba havoay Misaotra mialoha sady mankasitra.

La gazette de la grande île
06/11/20253 minute read
*Ny Asa ihany no Fanalahidin’ny Fanarenana an’i Madagasikara”*
Ry Malagasy havana , mpiray Tanindrazana 
Aza miandry ny Fanjakana vao handroso isika. Aza miandry ny fotoana, aza miandry ny hafa. Satria ny fandrosoana dia tsy entin’ny teny, fa ateraky ny asa, ny finiavana, ary ny firaisankina.
Efa tonga ny fotoana hanovantsika lalina ny rafitra sy ny fomba fisainantsika. Amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao, ny Fitondrana dia tsy hifikitra amin’ny fomba amam-panao efa lany andro sy tsy mitondra vokatra ho an’ny maro an’isa. Ny andraikitry ny mpitondra dia ny manamora ny asa, manohana ny famokarana, ary mampiroborobo ny fandraisana andraikitra.
Amiko, ny tanjontsika dia mazava: hanangana fiarahamonina iray ahafahan’ny tsirairay mivelatra amin’ny asa mendrika, amin’ny fiainana manaja ny maha-olona, ary amin’ny tontolo ahitana fahafahana sy fahamarinana.
Ny fandrosoana maharitra dia tsy ho avy amin’ny rafitra tsy mihetsika, fa amin’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny fananganana rafitra vaovao — rafitra miorina amin’ny asa, ny fahendrena, ary ny fitiavan-tanindrazana.
Izany no antoky ny tena fanarenana: fanovana ifotony, fanapahan-kevitra hentitra, sy paikady maharitra hahafahana mametraka vokatra hita sy tsapa manerana an’i Madagasikara.
Amiko,  ny Fitondrana dia manana adidy sy andraikitra — adidy hitari-dalana, hanome tanjona mazava, ary hanokatra lalana ho an’ny fahasambaran’ny Malagasy rehetra.
Fahasambarana izay refesina amin’ny fari-piainana tsara, amin’ny toekarena matanjaka, amin’ny asa mendrika sy karama manaja ny maha-olona, amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina, ary amin’ny fanabeazana manara-penitra sy mora idirana ho an’ny rehetra.
Tsy misy fandrosoana azo antenaina raha tsy misy asa. Tsy hisy fiainana hiakatra raha tsy misy famokarana sy ezaka avy amin’ny tsirairay. Raha samy miasa isika, raha samy mamokatra, dia hiara-miakatra ny toekarena my tsirairay sy ny fiainan’ny firenena.
Hoy ny fahendren’ny Ntaolo: “_Tsy misy maharitra toa ny tany, fa ny asa tsara no tsy ritra.”_

Eny, ny asa tsara no tsy ritra.
Izany no antony izao lahatsoratra izao hizarana amin’antsika rehetra my fomba niainako .fampandrosiana.
Tonga izao ny fotoana ny hanangana modely ara-toekarena nasionaly sy mahaleotena, miorina amin’ny asa mendrika sy ny tombontsoan’ny Malagasy. 
Tsy tokony hiandry fanampiana fotsiny avy any ivelany isika, fa hanorina amin’ny tanantsika, amin’ny herintsika, ary amin’ny fahaiza-manaontsika manokana.
Ny asa mendrika no antoky ny fanavaozana nasionaly. Izy no fototry ny politika ara-toekarena manandratra, ary antoka lehibe hahatonga ny fandrosoana maharitra sy ny tena fahasambaran’ny Malagasy tsirairay.
Fotoana izao hanarenantsika azy amin’ny tanantsika sy amin’ny herintsika manokana. Andeha isika hiara-hiasa, hiara-handroso, hiara-hanandratra an’i Madagasikara!
Satria ny làlana tokana sy tsara indrindra ho amin’ny fahasambaran’ny firenentsika dia ny asa, ny fahendrena, ary ny firaisankina.
“Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-poho ny hendry.”
Ny asa, ny teny ary ny fahendrena — ireo no fanalahidy ho amin’ny fanarenana sy ny hasin’i Madagasikara.
*Ary tadidio hatrany, Masina ny Tanindrazana. Ary izay miasa, tsy very.*
Zaza Ramandimbiarison
Partager cette article
Articles connexes
Back To Top