Na inona na inona no fahaizana sy fahendrena ary fitiava-tanindrazana ananan’ny mpitondra izao fitondrana tetezamita izao dia tsy ho afaka hanao fahagagana na majia izy ireo.
Tsy ho vita ao anatin’ny iray taona ny fanarenana ny Jirama amin’ny tsy fahampian’ny rano sy ny delestazy. Tsy hanana vola hampisondrotana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa io fitondrana io satria natao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana tamin’ny fitondrana Andry Rajoelina teo iny. Tsy afaka hamaha ny olana amin’ny fahantrana lalina mahazo ny firenena izao dia izao koa, sy ny olana ara-tsosialy ary ekonomika diavina amin’izao fotoana izao vokatry ny fitantanam-bola sy harena ratsy tantana. .
Ny azo antenaina dia ny fahitana sy ny fahatsapana fa miady mafy amin’ny kolikoly izy io. Manana fanapahan-kevitra fa hanao fanovana ka hiala amin’ny zavatra ratsy rehetra nataon’ny fitondrana teo aloha izay nambotry ny firenena.
Ny hita aloha hatramin’izao fa misy izay ezaka izay saingy mbola tsy ampy. Koa eo anatrehan’izany dia mila mailo ny vahoaka malagasy fa mandady ny trambo manao izay hampidofitra ny fitondrana tetezamita hoamin’ny fanovana ity amin’ny alalan’ny fihetsika maro samy hafa. Tsy ny mpitondra ihany fa tokony ho mailo ny rehetra mba tsy hiverin-dalana izao revolisiona am-pahendrena nataon’ny tanora GenZ izao. Eo anatrehan’ny grevy fitakiana ataon’ny olona sasany ankehitriny dia mila mitandrina ihany ny fitondrana fanavaozana fa be dia be ny fandrimpandrika ataon’ireo tsy maty voalavo an-kibo ka misarika ny fijerin’ny olona amin’ny fijery ratsy
Raharaham-pirenena : Misy manao izay tsy hampahomby ny fanavaozana
La gazette de la grande île
06/11/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626804
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





