Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hajo Andrianainarivelo TANAN-DRAVATO SY NAINA

La gazette de la grande île
07/11/202559 second read

Famatsiam-bola avy amin’i Naina Andriantsitohaina sy Mamy Ravatomanga no azon’i Hajo Andrianainarivelo nandritra ny Hetsika Fotsy. Nirahana hanapotika ny hetsika sofilera ity filohan’ny MMM ity ka nahatonga ny fivakisana Kolektifan’ny Kandida sy ny Firaisankina.
Nohamafisin’i Fleury Rakotomalala nandritra ny fandaharana tamin’ny 5 Novambra 2025 fa olon’i Mamy Ravatomanga tokoa i Hajo Andrianainarivelo. Ampamoaka goavana tokoa no heno nandritra ity fandaharana ity, raha tsy hiresaka afatsy ny tany tokony nananganana ny biraon’ny FFKM eo am-pitan’ny Henri Fraise, izay lasa misy io building goavambe amin’izao fotoana io. Ahoana tokoa izany ry Hajo?
Nambaran’i Fleury Rakotomalala ihany koa ny fifandraisana akaiky eo amin’i Hajo sy Rinah Rakotomanga ka nahatonga ity farany sahy nanao ireny fihetsika ireny.
Olon’i Mamy Ravatomanga sy Naina Andriantsitohaina i Hajo Andrianainarivelo ka tokony hitandrina tsara mihitsy ny filoham-panjakana, hoy hatrany i Fleury Rakotomalala.
Marihana tokoa fa tsy mbola nandrenesana fanamarihana na fanankianana avy amin’ity filohan’ny MMM ity mihitsy mikasika ireo herisetra sy famotehana fiainan’olona nataon’i Mamy Ravatomanga.
Te ho filoham-pirenena mafy tokoa izany Hajo Andrianainarivelo izany na dia fantany tsara aza fa tsy hisy mandrakizay. Efa naloan’Avaradrano rahateo koa dia izao mitady hevitra mafy hakana fahefana izao. Efa tafiditra ao an-dapa ve izany ny ambodia handripaka ny zanak’ondry?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top