Fantatra tsara izao fa hala-bato no nahalany an’i Harilala Ramanantsoa, fantatra tsara izao fa kolikoly avo lenta io vola 11 miliara an’ny CNAPS io, fantatra tsara izao fa namono olona sy nampahory vahoaka ry Naina Andriantsirohaina sy ny TGV fa tsy mampaninona an’i Lalatiana Ravololomanana izany rehetra izany satria matsiro ny vola sy ny seza.
Tapitra hatreo amin’io fiarahana amin’ny TGV sy Harilala Ramanantsoa io rahateo koa ny lalany ka mivaro-tena tanteraka amin’ny fiarovana ireo mpambotry firenena sy mpangala-bato sisa.
Lalatiana Ravololomanana izay tsy nety lany ho ben’ny tanànan’Antananarivo mihitsy ary efa very an-tany efitra no nahita irika niarahana tamin’i Naina Andriantsitohaina. Nilatsaka ve ny saron-tava?





