Mahazo hoatrinona? Azo antoka fa miaraka amin’ny vola be i Naina Andriantsitohaina. Porofon’izany ireo milaza ho fikambanana, mpanakanto manana ny lazany saika noesorin’ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany teny Tsarasaotra, nitaky ny hamotaorana an’i Claudia Pichler, vadiny.
Vola daholo no tao ambadik’ireny fanambarana rehetra ireny. Mizarazara vola mihitsy i Naina Andriantsitohaina; Fleury Rakotomalala aza saika hotambazany 3000 Euros fa tsy nanaiky. Hinoana nefa fa vitsy ny gasy handà izany 3000 Euros izany eto an-tanindrazana.
Izany indrindra no mahatonga ilay fanontaniana hoe: « hoatrinona no homen’ny fanjakana amin’ny fahitàna na fanomezam-baovao momba an’i Naina Andriantsirohaina? ». Jiolahy goavana toa azy ireny mila « prime » vao tratra, raha tsy izany maka vola any aminy izay mahita azy dia tsy ho sarona ary tsy handroso mihitsy ny fanadihadiana mikasika ireo raharaha hiampangana azy.
Mazava izany izao fa misy ny didy fisamborana an’i Naina Andriantsitohaina. Mitovy amin’ireo jiolahy karohana manerana an’i Madagasikara ny tenany. Ny vady moa navelany hampinono irery ao an-tranony ao amin’izao fotoana. Asa mba iza no miaraka maka rivotra aminy any? Izany ilay lehilahy nilaza ny hanatitra scoobidoo sy vola 500 Ar amin’ireo olona nogadrainy. Varira!
Naina Andriantsitohaina : MISY DIDY FISAMBORANA
La gazette de la grande île
14/11/2025•53 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626675
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





