Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ninie Donia : « CÔTIÈRE » MAINTY!

La gazette de la grande île
14/11/202542 second read

Ankoatra ny fanapotehana nohon’ny antony ara-politika dia voaporofo izao fa tena misy fanavakavahana ara-bolon-koditra sy ara-tsaranga eto amintsika ary mivandravandra loatra izany. Aleo hovakiana bantsilana ity resaka ity satria tsy rariny intsony.
Harilala Ramanantsoa, Claudia Andriantsitohaina, Rinah Rakotomanga dia samy vehivavy miaina ao anatin’ny « luxe », fotsy fihodirana, zanak’Afovoantany notsiririntin’ny lehilahy mpanam-bola.
Ninie Donia kosa dia « côtière » sady mainty, niady ho an’ny malemy ary nitankisina tamin’ny maloto lamba sy ny malahelo ka tsy nampihetsi-bolo ireo milaza fa fiarahamonim-pirenena Mahitsy Fijery.
Lesona ho an’ny mainty fihodirana nolalaovin’i Andry Rajoelina sy ny forongony izao zava-misy izao.
Tsy mendrika hatao fanadihadiana, tsy mendrika halaina am-bavany, tsy mendrika hatolotra ny Fitsarana sy hotànana am-ponja satria fotsy fihodirana, andriambavilanitra, « classe », tsara tarehy, sns.
Saronana amin’ny teny hoe « valifaty » raha vao ireo saranga ireo no voatohintohina. Aoka izay ity fanavakavahana ara-bolon-koditra sy saranga ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top