Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fihaonambem-pirenena Hevitra « 32 millions  » no misy ankehitriny

La gazette de la grande île
06/12/202550 second read

Mihazakazaka izay tsy izy ny fikambanana sy olona tsotra mitondra ny heviny mahakasika ny antsoina hoe « fiovana rafitra » izay takian’ny malagasy tamin’ny tolona nampandositra an’ny filoham-pirenena teo aloha Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony.
Ny tompon-kevitra GenZ dia efa lasa ady seza no ataon’ny ankamaroan’izy ireo. Feno azy ireo ny ministera rehetra eto Antananarivo amin’ny fitadiavana seza ity. Ny mpiasam-panjakana dia mandika izany « fanovana rafitra  » izany ho fisondrotan-karama, fanenjehana olona, grevy sy fitokonana isan-karazany izay vokatrin’ny tsy fahaizana mitantana sy mitondra firenena. Tsy misy idiran’ny fanovana rafitra mihitsy ny fitakiana ankehitriny
Mbola hevitra marolafy no mipetraka amin’ny mpanao politika misy ankevitriny satria misy mivaona mihitsy ny fahitana ny ady hevitra. Samy milaza izay takatry ny sainy ny olona fa tsy manana hevitra iarahana.
Maro dia maro ny fahazahoako sy fahaizan’ny olona izany antsoana hoe  » fanovana rafitra » izany eo amin’ny malagasy tsirairay izay miisa » 32 millions « mitovy isa amin’ny malagasy ankehitriny.
Raha tsy mitandrina ny fitondrana fanavaozana dia hitarika olana vaovao eto amin’ny firenena ny fihaonambem-pirenena ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top