Tandremo! Tandremo! Tandremo!
Miova izao tontolo izao, ka tsy maintsy miova koa isika.
Miova ny tontolo ankehitriny. Tsy avela ho irery intsony ny Fanjakana malemy, indrindra eo anatrehan’ireo Firenena lehibe sy matanjaka. Fehezina sy tantanana izy ireny, ary ao anatin’izany i Madagasikara.
Noho izany, mazava ny safidy ho antsika amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao:
na manangana Fanjakana matanjaka, mahay miaro ny taniny, ny vahoakany ary ny ho aviny,
na manaiky hotarihina tsikelikely avy any ivelany, ka tsy ho Firenena mahaleo tena intsony fa ho lasa faritry ny Firenena matanjaka iray.
Fehiny raha malemy ny Fanjakana, fehezin’olona. Raha matanjaka ny Fanjakana, hajaina.
Amin’izao taonjato faha-XXI izao, tsy omena ny fiandrianam-pirenena. Tsy vidiana; Fa atsangana amin’ny asa sy ny fahamarinana, arovana amin’ny fahendrena, ary omanina dieny izao ho an’ny taranaka fara mandimby.
Ny Tanindrazana tsy omena olona. Izany no adidy lehibe sy laharam-pahamehana voalohany ho an’izay mitondra ny fanavaozana, raha tena tia Tanindrazana marina tokoa izy ireo. Satria raha tsy miaro ny tanintsika isika, hisy haka.
Masina ny Tanindrazana





