Any Paris renivohitry ny fanjakana Frantsay i Naina Andriatsitohaina izay karohin’ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny. Araka ny didy navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na ny Pac dia namoahana didy fisamborana iraisam-pirenena ity minisitra tamin’ny fitondrana Andry Rajoelina ity noho ilay raharaha CNAPS izay mahakasika ny vola nosamboriny tao ka tsy naverina ara-dalàna. Ny tale jeneraly ny CNAPS tamin’izany fotoana izany dia efa notazonina vonjimaika ao am-ponja’Antanimora miaraka amin’ny olona hafa koa voarohirohy amin’ity raharaha ity. Ny vadin’i Naina Andriatsitohaina dia arahi-maso ara-pitsarana.
Fantatra ankehitriny fa miriaria any France ingahy Naina Andriatsitohaina. Nahoana no tsy misambotra azy ny polisy iraisam-pirenena nefa nefa nandefasana didy fampisamborana izy araka ny voalaean’ ny minisitry ny fitsarana Fanirisoa Herinaivo. Inona no antony? Malemy ny fitondrana Fanavaozana noho izany satria tsy manana fiaraha-miasa matotra amin’ny polisy iraisam-pirenena raha izao raharaha izao no jerena. Mandositra any ivelany izany ny tsy maty manota eto amin’ny firenena malagasy dia afaka madio amin’ny ota izay nataony





