Mampametra-panontaniana ny fanomezana ireny mari-boninahitra ireny. Olona nandroba firenena sy lehiben’ny kolikoly tahaka an’i Mamy Ravatomanga ve dia mendrika hahazo « commandeur de l’ordre national »? Dia mahazo koa ry Augustin Andriamananoro, Naina Andriantsitohaina?
Ireny ve no olona heverin’ny jeneraly Ranjeva Marcel sy Madeleine Ramaholimihaso homena mari-boninahitra faratampony kanefa dia mpambotry firenena, mpandroba, jiolahy ary nampijaly ny mpiray tanindrazana. Ndrao dia fotoana tokony hanesorana ireny mari-boninahitra nozarazaraina fotsiny ireny kosa izao? Ireo Malagasy nijoro nanohitra ny jadona, nogadraina, noravàna fananana nandritra iny fitondrana Rajoelina iny no tokony homena mari-pankahasitrahana. Maro ireo mpandraharaha nampijaliana sy nopotehan-dry Mamy Ravatomanga sy Naina Andriantsitohaina. Ireny no tokony hojeren’ny fitondrana Fanavaozana ka hotolorana mari-boninahitra. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.





